Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:2 - Baiboly Katolika

Nanandra-peo izy nitomany ka ren’ny Ejiptianina sy ren’ny tao an-tranon’i Faraôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitomany mafy izy ka ren’ny Ejiptiana sady ren’ny tao an-tranon’i Farao koa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mafy loatra anefa ny tomanin’i Jôsefa ka ren’ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan’ny Farao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mafy loatra anefa ny tomanin’i Jôsefa ka ren’ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan’ny Farao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nitomany mafy izy, ka ren’ny Egyptiana, ary ren’ny tao an-tranon’i Farao koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitomany mafy izy ka ren’ny Ejiptiana sady ren’ny tao an-tranon’i Farao koa.

Jereo ny toko



Genesisy 45:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany. Nony niverina nankeo amin’izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an’i Simeôna tamin’izy ireo ary nampamatotra azy teo imasony.


Izay dia nangotika ny atiny, noho ity rahalahiny, ka nihataka faingana i Josefa nitady izay hitomaniany; niditra tany an’efitranony izy dia nitomany.


Dia namihina ny vozon’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary i Benjamina nitomany teo amin’ny vozony.


Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny.


dia nampamboatra ny kalesiny i Josefa ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena. Niseho taminy izy, dia niantoraka ka namihina ny vozony, sy nitomany ela teo amin’ny vozony.


«Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehan’ny tavanao aho, tamim-pahamarinana sy tamin’ny fo mahitsy, ary nanao izay tsara teo imasonao!» Sady nirotsaka be dia be ny ranomason’i Ezekiasa.


Ary haidiko amin’ny taranak’i Davida sy amin’ny mponina ao Jerosalema ny fanahin’ny fahasoavana amam-piofanana; ka hatodiny ny masony hijery ahy izay nolefoniny. Ary hanao fisaonana azy izy, toy ny fisaonana zanaka lahitokana; hitomany mafy azy izy ireo toy ny fitomany zanaka lahy matoa.


Dia nanandra-peo nikiakiaka ny fiangonana rehetra, ka nitomany ny vahoaka nandritra iny alina iny.


Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy,


Samy hampahitan’i Iaveh fiadanana avy anie ianareo, any amin’ny tranon’izay ho vadinareo». Dia nanoroka azy ireo izy. Ary izy roa vavy kosa nanandratra ny feony, ka nitomany.