Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 44:7 - Baiboly Katolika

«Nahoana re, Tompokolahy, no dia manao izany ianao? Sanatria amin’ny mpanomponao mihitsy izay hanao izany zavatra izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy izy ireo taminy: Nahoana ny tompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin’ny mpanomponao ny hahavita zavatra toy izany!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary namaly izy mirahalahy avy ka nanao hoe: –Ahoana no ahazoanao miampanga anay toy izany, tompoko? Tsy ho sahy nanao izany zavatra izany na oviana na oviana izahay mpanomponao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary namaly izy mirahalahy avy ka nanao hoe: –Ahoana no ahazoanao miampanga anay toy izany, tompoko? Tsy ho sahy nanao izany zavatra izany na oviana na oviana izahay mpanomponao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? sanatria amin’ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin'ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy izy ireo taminy: Nahoana ny tompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin’ny mpanomponao ny hahavita zavatra toy izany!

Jereo ny toko



Genesisy 44:7
12 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely. Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.


Nony tratran’ny mpikarakara izy ireo dia nilazany an’izany teny izany, ka izao no navaliny azy:


Indro fa ny vola hitanay teo am-bava-lasàkanay dia nentinay taminao avy amin’ny tany Kanaana, ka dia hataonay ahoana no fangalatra vola fotsy na volamena ao an-tranon’ny tomponao?


Fa hoy kosa i Jôaba: «Lavitra ahy, lavitra dia lavitra ahy izany. Tsy handrava tsy handringana no hevitro! Tsy izany velively.


Fa hoy i Hazaela: «Zinona moa ny mpanomponao, izay alika foana ity, no dia hahavita zava-dehibe toy izany?» ary namaly i Elisea: «Efa nasehon’i Iaveh tamiko fa ho mpanjakan’i Siria ianao.»


Aleo laza tsara, toy izay harem-be, ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.


Aleo laza soa, toy izy hanitra soa; ary aleo ny andro ahafatesana, toy izay ny andro ahaterahana.


Mivavaha ho anay, fa te hanao tsara amin’ny zavatra rehetra izahay, ary matoky fa marina ny hitsim-ponay.