Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany.»
Genesisy 44:16 - Baiboly Katolika Ary hoy ny navalin’i Jodà: «Inona indray moa no azonay avaly ny tompoko? Hataonay ahoana no fiteny? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Efa hitan’Andriamanitra ny faharatsian’ny mpanomponao. Koa dia indreto izahay ho andevon’ny tompoko, na izahay na izay nahitana ny kôpy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Joda: Inona no teny hataonay amin’Itompokolahy? Inona intsony no holazainay? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra mahita ny heloky ny mpanomponao. Koa indreto samy ho mpanompon’Itompokolahy, na izahay na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. DIEM PROTESTANTA Dia namaly i Joda hoe: –Inona moa, tompoko, no holazainay anao? Inona no ho azonay lazaina mba hampiseho ny fahamarinanay? Andriamanitra no nahita ny fahadisoan’ny mpanomponao: indreto àry izahay, tompoko, manaiky ho andevonao miaraka amin’ilay nahitana ny tsangambava. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namaly i Joda hoe: –Inona moa, tompoko, no holazainay anao? Inona no ho azonay lazaina mba hampiseho ny fahamarinanay? Andriamanitra no nahita ny fahadisoan’ny mpanomponao: indreto àry izahay, tompoko, manaiky ho andevonao miaraka amin’ilay nahitana ny tsangambava. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin’itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon’itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. Malagasy Bible Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. La Bible en Malgache Ary hoy i Joda: Inona no teny hataonay amin’Itompokolahy? Inona intsony no holazainay? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra mahita ny heloky ny mpanomponao. Koa indreto samy ho mpanompon’Itompokolahy, na izahay na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. |
Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany.»
Fa mbola nanonofy indray koa izy, sady nolazainy tamin’ireo rahalahiny. Hoy izy: «Nanonofy indray aho, ny masoandro amam-bolana ary ny kintana iraika ambin’ny folo niankohoka teo anatrehako.»
Fa hoy i Josefa: «Sanatria ahy ny hanao izany. Izay olona nahitana ny kôpiko no ho andevoko, fa ianareo, miakara soa aman-tsara ho any amin-drainareo.»
Fa ny mpanomponao no efa niantoka ny zaza tamin’ikaky, nanao hoe: ‹Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, dia ho meloka amin’ny raiko mandrakizay aho.›
Izay anankiray amin’ny mpanomponao hahitana izany kôpy izany dia aoka hovonoina; ary na ny tenanay aza dia aoka ho andevon’itompokolahy koa.»
Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»
Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô, ahoana no holazainay manaraka izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay;
Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, marina Ianao, izahay ankehitriny dia ireto sisan’izay afaka fotsiny ihany; indreto izahay mbamin’ny otanay eto anatrehanao, fa tsy mety ho velona eo anoloan’ny Tavanao izahay noho izany ota izany.»
Na izay manamarina ny meloka na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason’i Iaveh.
Izay mivesatra ny ran’olona nalatsany, dia mandositra hatrany an-davaka: Aza misakana azy.
Toy izao no hahavoaonitra ny helok’i Jakôba, ary izao no ho vokatra rehetra amin’ny famelana ny fahotany. Rehefa ny vaton’ireo ôtely no hataony manjary vovoka manahaka ny vato sokay, dia tsy hatsangana intsony ny aserah sy ny sarin’ny Masoandro.
Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà, masìna ianareo, tsarao Aho, sy ny tanimboaloboko!
Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia indro manota amin’i Iaveh ianareo, ka fantaro fa hanody anareo ny fahotanareo.
fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Voatsindron’izany teny izany ny fon’ny olona, ka hoy izy tamin’i Piera sy ireo Apôstôly namany: «Inona àry, ry zareo, no hataonay?»
«Raha misy fifanjihiran’olona, ka efa niseho teo anatrehan’ny mpitsara izy ireo, ary efa notsaraina, ka ny marina nafahana, ary ny meloka nohelohina,
Nanao fahadisoana momba ny anatema ny zanak’i Israely; fa naka tamin’ny zavatra natao anatema i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare tamin’ny fokon’i Jodà, ka nirehitra tamin’ny zanak’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.
Ary nampanatoniny isam-batan’olona ny tao an-tranon’i Zabdỳ, ka i Akàna zanak’i Karmì zanak’i Zabdỳ zanak’i Zare avy amin’ny fokon’i Jodà no voatana.
Dia hoy i Adôni-Bezeka: «Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tanana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afotitr’Andriamanitra amiko.» Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany.