Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 44:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia namaly i Joda hoe: –Inona moa, tompoko, no holazainay anao? Inona no ho azonay lazaina mba hampiseho ny fahamarinanay? Andriamanitra no nahita ny fahadisoan’ny mpanomponao: indreto àry izahay, tompoko, manaiky ho andevonao miaraka amin’ilay nahitana ny tsangambava.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary hoy i Joda: Inona no teny hataonay amin’Itompokolahy? Inona intsony no holazainay? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra mahita ny heloky ny mpanomponao. Koa indreto samy ho mpanompon’Itompokolahy, na izahay na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia namaly i Joda hoe: –Inona moa, tompoko, no holazainay anao? Inona no ho azonay lazaina mba hampiseho ny fahamarinanay? Andriamanitra no nahita ny fahadisoan’ny mpanomponao: indreto àry izahay, tompoko, manaiky ho andevonao miaraka amin’ilay nahitana ny tsangambava.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ary hoy ny navalin’i Jodà: «Inona indray moa no azonay avaly ny tompoko? Hataonay ahoana no fiteny? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Efa hitan’Andriamanitra ny faharatsian’ny mpanomponao. Koa dia indreto izahay ho andevon’ny tompoko, na izahay na izay nahitana ny kôpy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin’itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon’itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary hoy i Joda: Inona no teny hataonay amin’Itompokolahy? Inona intsony no holazainay? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra mahita ny heloky ny mpanomponao. Koa indreto samy ho mpanompon’Itompokolahy, na izahay na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 44:16
25 Rohy Ifampitohizana  

Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan’ny fehezam-bariko.


Ary mbola nanonofy hafa i Jôsefa, dia notantarainy tamin’ny rahalahiny hoe: –Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin’ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.


Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Tsia, sanatria ahy ny hanao izany! Ny olona izay nahitana ny tsangambava ihany no ho andevoko; ianareo kosa modia soa aman-tsara any amin’ny rainareo.


Izaho mpanomponao no niantoka io zatovo io tamin’ny raiko ka nanao hoe: «Raha tsy tafaveriko aminao izy, dia ho meloka amin’i dada mandritra ny androko rehetra aho.»


Koa izay ahitana izany aminay mpanomponao dia hatao maty; ary izahay kosa handevozinao, tompoko.


Dia hoy ravehivavy tamin’i Elià: –Ry olon’Andriamanitra, nahoana no nanao izao tamiko ianao? Moa hampahatsiaro ny fahotako sy hahafaty ny zanako lahy ve no nahatongavanao tatỳ amiko?


«Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, inona no holazainay amin’izany? Efa nafoinay ny didinao,


Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, miantra Ianao ka mbola misy sisa afaka ihany izahay amin’izao anio izao; indreto izahay vesaran’ny fahotanay eto anatrehanao, na dia tsy tokony hisy hahajanona eto anatrehanao aza noho izany.»


Tsinontsinona aho ka tsy manan-kavaly Anao. Hitampim-bava no ataoko izao.


Samy halan’ny TOMPO avokoa na ny fanamarinana ny olo-meloka na ny fanamelohana ny olo-marina.


Handositra hatrany am-pasana ny olona izay enjehin’ny eritreriny noho izy nahafaty olona: aoka tsy hisy hisakana azy!


Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.


Koa hoy ilay sakaizako hoe: «Ankehitriny, ry mponin’i Jerosalema sy ianareo olona eto Joda, mba tsaraonareo Aho sy ny voaloboko.


Anao ny fahamarinana, Tompo ô, ary anay kosa ny fahamenarana tahaka ny amin’izao anio izao, dia anay olon’i Joda sy mponin’i Jerosalema ary an’ireo Israelita hafa rehetra na ny lavitra na ny akaiky, any amin’ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoana vitany taminao.


Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia manota amin’ny TOMPO, ary fantaro fa ianareo ihany no hifoteran’ny vokatry ny fahotanareo.


fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.


Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra.


Raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tao am-pony ka nanontany an’i Petera sy ny apôstôly namany hoe: –Ry havana, inona no tokony hataonay?


Mety misy olona anankiroa manana ady ka mankeo amin’ny fitsarana; dia tsaraina izy roroa ka homen-drariny izay manan-drariny ary hohelohina kosa izay meloka.


Nanao fahadisoana bevava ny Israelita tamin’ny fandikana didy momba ireo zavatra voatokana hafoy ho an’ny TOMPO; fa naka zavatra sasany tamin’ireo i Hakàna, zanakalahin’i Karmỳ sy zafin’i Zabdià ary zafiafin’i Zera sady anisan’ny fokon’i Joda, koa tezitra tamin’ny Israelita ny Tompo.


Dia narosony tsirairay ny lehilahy tao amin’ny fianakavian’i Zabdỳ ka i Hakàna, zanakalahin’i Karmỳ sy zafin’i Zabdỳ ary zafiafin’i Zera sady anisan’ny fokon’i Joda, no voatondro.


Ary hoy i Adônỳ-Bezèka hoe: –Mpanjaka fitopolo, tapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra, no nitsimpona hanina teo ambany latabatro; koa izay nataoko ihany no navalin’Andriamanitra ahy! Dia nentina ho any Jerosalema i Adonỳ-Bezèka ary maty tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra