Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 44:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Tsia, sanatria ahy ny hanao izany! Ny olona izay nahitana ny tsangambava ihany no ho andevoko; ianareo kosa modia soa aman-tsara any amin’ny rainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Nefa hoy i Josefa: Sanatria ahy ny hahavita izany! Izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho mpanompoko fa ianareo kosa dia miakara soa amantsara ho any amin’ny rainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Tsia, sanatria ahy ny hanao izany! Ny olona izay nahitana ny tsangambava ihany no ho andevoko; ianareo kosa modia soa aman-tsara any amin’ny rainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Fa hoy i Josefa: «Sanatria ahy ny hanao izany. Izay olona nahitana ny kôpiko no ho andevoko, fa ianareo, miakara soa aman-tsara ho any amin-drainareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa hianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin’ny rainareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin'ny rainareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 44:17
10 Rohy Ifampitohizana  

Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin’ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.


Mianiàna àry aminay fa tsy hanisy ratsy anay ianao tahaka ny tsy nampijalianay anao. Tsy nisy afa-tsy ny soa no nataonay taminao ka nalefanay ombàm-piadanana ianao, izay efa notahîn’ny TOMPO ankehitriny.


Ary tamin’ny andro fahatelo dia hoy i Jôsefa taminy: –Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, satria izaho koa mba manaja an’Andriamanitra.


Ka hoy ralehilahy: –Eny àry, fa hotanako amin’ny teninareo ianareo; kanefa izay ahitana ny tsangambava ihany no ho tonga andevoko, fa ny sisa kosa dia ho afaka.


Dia namaly i Joda hoe: –Inona moa, tompoko, no holazainay anao? Inona no ho azonay lazaina mba hampiseho ny fahamarinanay? Andriamanitra no nahita ny fahadisoan’ny mpanomponao: indreto àry izahay, tompoko, manaiky ho andevonao miaraka amin’ilay nahitana ny tsangambava.


Fa nanatona azy i Joda ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, ianao no mitovy amin’ny Farao. Koa azafady, tompoko, raha mba hiteny kely aminao aho ary aoka tsy ho tezitra ianao.


Ny Andriamanitr’i Israely sady mpiaro azy no efa niteny ka nanao tamiko hoe: «Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana sy mitondra azy amim-panajana an’Andriamanitra


Andriamanitra ô, midera Anao izahay; eny, midera Anao tokoa izahay. Ataonay antso avo ny lazanao ary tantarainay ny zava-mahagaga vitanao.


Samy halan’ny TOMPO avokoa na ny fanamarinana ny olo-meloka na ny fanamelohana ny olo-marina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra