Fa hoy ny navaliny azy: «Tsia, tompokolahy, fa hividy hanina no nahatongavan’ny mpanomponao.
Genesisy 43:20 - Baiboly Katolika «Aza mahafady, tompokolahy, izahay dia efa nidina nividy vary tatỳ indray mandeha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Azafady, tompokolahy: Nidina tatỳ hividy hanina tokoa izahay tamin’ny voalohany. DIEM PROTESTANTA –Aza fady aminao, tompoko! Efa tonga taty indray mandeha izahay teo aloha mba hividy sakafo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Aza fady aminao, tompoko! Efa tonga taty indray mandeha izahay teo aloha mba hividy sakafo. Baiboly Protestanta Malagasy Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny: Malagasy Bible Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny: La Bible en Malgache Azafady, tompokolahy: Nidina tatỳ hividy hanina tokoa izahay tamin’ny voalohany. |
Fa hoy ny navaliny azy: «Tsia, tompokolahy, fa hividy hanina no nahatongavan’ny mpanomponao.
Nony mby teo amin’ny toerana handriany, nanokatra ny lasàkany ny anankiray tamin’izy ireo, hanomezany vilona ny ampondrany, ary hitany teo am-bava lasàkany ny volany.
Dia samy nandraraka ny tao anaty lasàkany izy ireo, ka indro ny fonosam-bolany samy teo anaty lasàkany avy. Nahita ny fonosam-bolany izy sy ny rainy, ka samy raiki-tahotra.
Dia nanatona an-dralehilahy mpikarakara ny tranon’i Josefa izy ireo, ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano nanao hoe:
Nony tonga teo amin’ny toerana handrianay izahay, nanokatra ny lasàkanay, ka indreo ny volanay isany, samy teo am-bava-lasàkanay avy, sy samy tonga lanja avokoa; dia indro izy entinay miaraka aminay.
Ka hoy i Jodà namaly azy: «Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.
Dia hoy iretsy: «Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: ‹Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va ianareo?› Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: ‹Ento midina ny rahalahinareo.› »
Hoy ny iray tamin’izy ireo: «Mitaraina aminao aho tompoko, fa niray trano izaho sy ravehivavy ity, ary teraka teo anilany tao an-trano aho.