Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 42:27 - Baiboly Katolika

27 Nony mby teo amin’ny toerana handriany, nanokatra ny lasàkany ny anankiray tamin’izy ireo, hanomezany vilona ny ampondrany, ary hitany teo am-bava lasàkany ny volany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Rehefa nosokafan’ny iray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’izay handriany dia indro, hitany ny volany teo am-bavan’ny lasakany ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

27 Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Ary raha nosokafan’ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan, ny lasakany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Ary raha nosokafan'ny anankiray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 Rehefa nosokafan’ny iray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’izay handriany dia indro, hitany ny volany teo am-bavan’ny lasakany ihany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 42:27
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy koa izy: «Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay; sady ny mololo handriana koa dia misy ao.»


Rehefa voataingina tamin’ny ampondra ny vary, dia niainga izy.


Dia samy nandraraka ny tao anaty lasàkany izy ireo, ka indro ny fonosam-bolany samy teo anaty lasàkany avy. Nahita ny fonosam-bolany izy sy ny rainy, ka samy raiki-tahotra.


Raiki-tahotra anefa ireo olona ireo nony nentina ho ao an-tranon’i Josefa, fa hoy izy: «Ilay vola naverina tao anaty lasàkantsika, tamin’ilay indray mandeha izao, no handraisany antsika, dia ny hamelezany antsika izany sy hivarinany amintsika, ary hangalany antsika ho andevony mbamin’ny ampondrantsika koa.»


Koa samy nampidina faingana ny lasàkany tamin’ny tany izy ireo, dia samy nanokatra ny lasàkany.


Teny an-dalana, teo amin’ny toerana anankiray nandrian’i Môizy, tamy nitsena azy i Iaveh, nitady hahafaty azy.


Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy.


ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranom-bahiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra