Fa hoy ny navalin’i Abrama: «Iaveh Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezera avy any Damasa.»
Genesisy 43:16 - Baiboly Katolika Vao nahita an’i Benjamina niaraka tamin’izy ireo i Josefa, dia nilaza tamin’ny mpikarakara ny tranony hoe: «Ampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra sy anaovy nahandro, fa hiara-mihinana amiko ireo olona ireo amin’ny mitatao vovonana.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha nahita an’i Benjamina niaraka tamin’ireo rahalahiny i Josefa dia niteny tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo dia amonoy zavatra ary anamboary sakafo fa hiara-hisakafo amiko izy ireo amin’ny mitataovovonana. DIEM PROTESTANTA Ary rehefa hitan’i Jôsefa fa niaraka tamin’ireo i Benjamîna, dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny ao an-tranony: –Ento any an-trano ireo lehilahy ireo, dia mamonoa zavatra ka manamboara sakafo, fa hiara-mihinana amiko izy ireo anio antoandro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary rehefa hitan’i Jôsefa fa niaraka tamin’ireo i Benjamîna, dia hoy izy tamin’ny mpikarakara ny ao an-tranony: –Ento any an-trano ireo lehilahy ireo, dia mamonoa zavatra ka manamboara sakafo, fa hiara-mihinana amiko izy ireo anio antoandro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josefa, raha nahita an’i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro. Malagasy Bible Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro. La Bible en Malgache Raha nahita an’i Benjamina niaraka tamin’ireo rahalahiny i Josefa dia niteny tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo dia amonoy zavatra ary anamboary sakafo fa hiara-hisakafo amiko izy ireo amin’ny mitataovovonana. |
Fa hoy ny navalin’i Abrama: «Iaveh Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezera avy any Damasa.»
Nihalehibe ny zaza dia notazana. Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.
Dia nianiana tamin’Ilay atahoran’i Isaaka i Jakôba. Nanatitra sorona teo an-tendrombohitra i Jakôba, ka nanasa ny rahalahiny hihinan-kanina. Dia nihinana izy ireo, sy nipetraka teo an-tendrombohitra nandritra ny alina.
Dia nataon-dralehilahy izay nasain’i Josefa ataony; ary nampidiriny tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo.
Dia nanatona an-dralehilahy mpikarakara ny tranon’i Josefa izy ireo, ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano nanao hoe:
Dia nomen’i Josefa teny ilay mpikarakara ny tranony, nataony hoe: «Fenoy hanina ny lasàkan’ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ka ny volany samy ataovy eo am-bava-lasàkany avy.
Vao tafavoaka ny tanàna, mbola tsy lavitra akory izy, dia hoy i Josefa tamin’ilay mpikarakarany: «Miaingà enjeho ireny olona ireny, ka rehefa mahatratra azy ianao dia lazao aminy hoe: ‹Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa?
Ary ny mofoko mbamin’ny ranoko amam-biby fiompiko novonoiko ho an’ny mpanety ondriko ve, ka halaiko homena izay olona tsy fantatro niaviany?»