Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 43:12 - Baiboly Katolika

Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasàkanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mitondrà vola torak’ilay teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ny lasakanareo dia ento miverina any indray; angamba fahadisoana izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mitondrà vola toy ny taloha ary ento koa ireo vola teo am-bavan-kitaponareo, dia avereno aminy fa angamba nisy fahadisoana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mitondrà vola toy ny taloha ary ento koa ireo vola teo am-bavan-kitaponareo, dia avereno aminy fa angamba nisy fahadisoana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary mitondrà vola toraka ny teo eny an-tànanareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mitondrà vola torak’ilay teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ny lasakanareo dia ento miverina any indray; angamba fahadisoana izany.

Jereo ny toko



Genesisy 43:12
12 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa izany, dia nasain’i Josefa nofenoina vary ny lasàkany, sy hatao ao anaty lasàkany avy indray ny volany, ary homena vatsy izy ho azy eny an-dalana. Dia natao taminy avokoa izany.


Dia samy nandraraka ny tao anaty lasàkany izy ireo, ka indro ny fonosam-bolany samy teo anaty lasàkany avy. Nahita ny fonosam-bolany izy sy ny rainy, ka samy raiki-tahotra.


Dia ento ny rahalahinareo, miaingà ka miverena any amin-dralehilahy.


Nony tonga teo amin’ny toerana handrianay izahay, nanokatra ny lasàkanay, ka indreo ny volanay isany, samy teo am-bava-lasàkanay avy, sy samy tonga lanja avokoa; dia indro izy entinay miaraka aminay.


Ary nitondra vola hafa koa izahay hamidy hanina. Tsy fantatray izay nametraka ny volanay tao anaty lasàkanay.»


Aza mamaly ratsy, na amin’iza na amin’iza; fa mivonòna hanao ny tsara, tsy eo anatrehan’Andriamanitra ihany, fa eo imason’ny olona rehetra koa.


Aoka tsy hisy hanan-trosa aminareo, afa-tsy ny fifankatiavana; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.


satria tsy ny soa eo imason’Andriamanitra ihany no kendrenay, fa ny soa eo imason’ny olombelona koa.


Farany, ry kristianina havana, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona rariny, na inona na inona madio, na inona na inona mahatehotia, na inona tsara laza, rehefa mety ho hatsaram-panahy, sy rehefa mety ho misy dera koa, dia aoka hoheverinareo izany.


ary ny tsy hisian’olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;


fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;


i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.