Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 43:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Mitondrà vola toy ny taloha ary ento koa ireo vola teo am-bavan-kitaponareo, dia avereno aminy fa angamba nisy fahadisoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Mitondrà vola torak’ilay teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ny lasakanareo dia ento miverina any indray; angamba fahadisoana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Mitondrà vola toy ny taloha ary ento koa ireo vola teo am-bavan-kitaponareo, dia avereno aminy fa angamba nisy fahadisoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasàkanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 ary mitondrà vola toraka ny teo eny an-tànanareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Mitondrà vola torak’ilay teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ny lasakanareo dia ento miverina any indray; angamba fahadisoana izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 43:12
12 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nasainy nofenoina vary ny kitapon’izy ireo, ary naverina tao an-kitapony avy koa ny volan’ny isan-dahy sady nomena vatsy hoentiny eny an-dàlana. Dia notanterahina izany.


Ary nony nararak’izy ireo ny tao an-kitapony, dia indro samy am-ponosana tao an-kitapony avy ny volany. Ary rehefa nahita ireo vola voafono toy izany izy mbamin’ny rainy, dia samy raiki-tahotra.


Dia ento ny rahalahinareo ary miaingà ka miverena any amin’izany lehilahy izany.


Nony tonga teo amin’ny toerana handriana hariva anefa izahay ka nanokatra ny kitaponay, dia samy nahita ny vola teo am-bavan-kitaponay avy fa naverina taminay ny vola naloanay. Nentinay niverina aty ireo vola ireo,


ary nitondra vola hafa koa izahay mba hividianana sakafo. Tsy fantatray izay namerina ny volanay tao anaty kitaponay.


Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza. Miezaha hanao ny tsara eo imason’ny olona rehetra.


Aoka tsy hananan’olon-trosa ianareo, afa-tsy momba ny fifankatiavana ihany; fa izay tia namana no mahatanteraka ny lalàna.


satria mikendry hanao ny tsara izahay, tsy eo anatrehan’ny Tompo ihany, fa eo anatrehan’ny olona koa.


Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.


ka amin’izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin’ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin’ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny.


diniho ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;


I Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra