Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany.
Genesisy 43:1 - Baiboly Katolika Nihamafy ny mosary tamin’ny tany; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mafy ny mosary teo amin’ny tany. DIEM PROTESTANTA Mbola nanindry mafy tany Kanahàna ny mosary. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola nanindry mafy tany Kanahàna ny mosary. Baiboly Protestanta Malagasy ARY mafy ny mosary teo amin’ny tany. Malagasy Bible Ary mafy ny mosary teo amin'ny tany. La Bible en Malgache Mafy ny mosary teo amin’ny tany. |
Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany.
Hoy i Iaveh tamin’i Abrahama: «Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa antitra ity ve dia mbola hiteraka indray?
Nisy mosary indray tamin’ny tany; hafa fa tsy ilay mosary fony fahavelon’i Abrahama. Ka lasa i Isaaka nankany Jerara amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina.
Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely, ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.
ka nony efa tapitra nohaniny ny vary nalain’izy ireo tany Ejipta, dia hoy rainy taminy: «Mandehana indray mividy hanina kely ho antsika.»
Dia hoy koa izy tamin’i Faraôna: «Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin’ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin’ny ondrin’ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin’ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin’ny tany Gesena ny mpanomponao.»
Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.