Tera-kovitra mafy indrindra i Isaaka, ka nanao hoe: «Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teto amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan’ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatso-drano tokoa izy.»
Genesisy 42:28 - Baiboly Katolika Ka hoy izy tamin’ireo rahalahiny: «Nisy namerina ny volako fa ity izy ato anaty lasàkako.» Kivy terỳ ny fon’izy ireo, ka sady nangovitra izy no nifampilaza hoe: «Fa nataon’Andriamanitra ahoana re izato isika.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: Naverina ny volako ka indro, ao anatin’ny lasakako! Dia ketraka ny fony ary nifampijery tamin-tahotra izy ireo ka niresaka hoe: Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao? DIEM PROTESTANTA Dia niteny tamin’ireo rahalahiny izy hoe: –Naverina ny volako, fa io anaty kitapoko io! Dia nivarahontsana izy ireo sady raiki-tahotra ka nifanontany hoe: «Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niteny tamin’ireo rahalahiny izy hoe: –Naverina ny volako, fa io anaty kitapoko io! Dia nivarahontsana izy ireo sady raiki-tahotra ka nifanontany hoe: «Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin’ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao? Malagasy Bible Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ? La Bible en Malgache Dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: Naverina ny volako ka indro, ao anatin’ny lasakako! Dia ketraka ny fony ary nifampijery tamin-tahotra izy ireo ka niresaka hoe: Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao? |
Tera-kovitra mafy indrindra i Isaaka, ka nanao hoe: «Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teto amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan’ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatso-drano tokoa izy.»
Niverina tany amin’i Jakôba rainy, tany amin’ny tany Kanaana, izy ireo, dia notantarainy taminy avokoa ny nahazo azy, ka hoy izy:
Hoy i Jakôba rainy taminy: «Foananareo anaka aho, fa i Josefa tsy eto intsony, i Simeôna koa tsy eto, i Benjamina indray halainareo; ary izaho ihany no itambesaran’izany rehetra izany.»
Ka hoy izy taminy: «Ho aminareo anie ny fiadanana, fa aza matahotra na inona na inona. Ny Andriamanitrareo, ny Andriamanitry ny rainareo no nanome anareo rakitra tao anaty lasàkanareo. Fa ny volanareo efa nomena ahy.» Dia nentiny nankeo amin’izy ireo i Simeôna.
ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran’ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony mbamin’ny mpandroso divay eo aminy, ny ambaratonga fiakarany ho eo amin’ny tranon’i Iaveh, dia talanjona
Namoha trano ny malalako aho; kanjo nanjavona ny malalako; nandositra izy. Tsy nahatsiaro tena aho raha niteny tamiko izy. Nitady azy aho, nefa tsy nahita; niantso azy, nefa tsy novaliany.
Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Iaveh no manao izany rehetra izany.
Nataon’i Iaveh izay nokasainy; notanterahiny ny teniny izay efa nolazainy hatramin’ny andro taloha; nandrava Izy fa tsy niantra, nampifaly ny fahavalo noho ny aminao Izy; nanandratra ny tandroky ny mpampahory anao Izy.
Izay ho sisa velona aminareo, hampidirako tebiteby ny fony any amin’ny tanim-pahavalony, ka ny fipikan’ny ravin-kazo iray monja voahetsika, dia ampy hahavaky mandositra azy; handositra toy ny enjehin-tsabatra izy, ary ho lavo tsy misy mpanenjika.
Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?
ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Any amin’izany firenena izany ianao, dia tsy ho afaka ahiahy ary tsy misy tany hitsaharan’ny faladianao; fo tebiteby, maso manjambena ary fanahy miferinaina no homen’i Iaveh anao any.