Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 42:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Dia niteny tamin’ireo rahalahiny izy hoe: –Naverina ny volako, fa io anaty kitapoko io! Dia nivarahontsana izy ireo sady raiki-tahotra ka nifanontany hoe: «Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: Naverina ny volako ka indro, ao anatin’ny lasakako! Dia ketraka ny fony ary nifampijery tamin-tahotra izy ireo ka niresaka hoe: Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Dia niteny tamin’ireo rahalahiny izy hoe: –Naverina ny volako, fa io anaty kitapoko io! Dia nivarahontsana izy ireo sady raiki-tahotra ka nifanontany hoe: «Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Ka hoy izy tamin’ireo rahalahiny: «Nisy namerina ny volako fa ity izy ato anaty lasàkako.» Kivy terỳ ny fon’izy ireo, ka sady nangovitra izy no nifampilaza hoe: «Fa nataon’Andriamanitra ahoana re izato isika.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin’ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ?

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 42:28
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia nangovitra fatratra i Itsehàka, ka nanontany hoe: –Fa iza àry ilay nihaza, dia nitondra ny hazany teto amiko ka nihinanako talohan’ny nahatongavanao? Izy no efa notsofiko rano; eny, hotahîna tokoa izy.


Nony tonga tany Kanahàna teo amin’i Jakôba rainy izy ireo, dia nitantara taminy ny zava-niseho rehetra ka nanao hoe:


Ka hoy i Jakôba rainy taminy: –Tianareo tsy hanan-janaka ve aho? I Jôsefa efa tsy eo, i Simehôna koa efa tsy eo, ary izao dia halainareo amiko indray i Benjamîna! Izaho no ianjadian’izany rehetra izany.


Ka hoy ny navalin-dralehilahy azy: –Milamîna ianareo, ary aza matahotra. Ny Andriamanitrareo, dia Ilay Andriamanitry ny rainareo, no nametraka harena tao an-kitaponareo; fa raha ny amin’ny volanareo dia efa voaraiko tokoa. Dia navoakan-dralehilahy i Simehôna,


ny sakafo teo amin’ny latabany ary ny toeram-ponenan’ireo tandapany, ny fitafian’ny mpandroso sakafo sy mpitondra divay ary koa ny sorona dorana manontolo natolony tao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy


Andriamanitra ô, mba henoy ny tarainako, aoka ho tandrinao ny fivavako!


Vohako varavarana ny malalako, kanjo efa nihodina izy ka lasa. Mivoaka ny trano hanenjika azy aho; dia tadiaviko izy fa tsy hitako, ary antsointsoiko fa tsy mamaly.


Izaho no mamorona ny mazava sy mahary ny maizina. Izaho no manome fahasambarana sy mahary ny loza. Izaho TOMPO no manao izany rehetra izany.


Nataon’ny TOMPO izay efa nosaintsaininy, notanterahiny izay nambarany, dia izay efa notapahiny hatry ny ela: nandravarava Izy ka tsy niantra. Nampitotorebika ny fahavalo Izy noho ny nanjo anao ary nampiakatra ny reharehan’ny mpandrafy anao.


Iza moa no miteny, dia mampisy zavatra? Moa tsy ny Tompo va no mandidy?


«Izay sisa velona aminareo, any amin’ny tanin’ny fahavalony any, dia hampidirako fahareraham-po ka na ny fipikan’ny ravinkazo anankiray paohin-drivotra aza dia hampandositra azy; handositra ireo toy ny mandositra fahavalo mitan-tsabatra, ary ho lavo ireo na dia tsy misy mpanenjika aza.


Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra, ka tsy hisahotaka ny vahoaka? Misy loza ve ao an-tanàna, raha tsy ny TOMPO no nanao azy?


Hisy olona ho fatin’ny tahotra sy ny fanahiana izay hanjo ny tany tontolo, satria hihozongozona ny herin’ny habakabaka.


Any amin’ireo firenena ireo dia tsy hisy hilaminanareo ary tsy hisy toerana hahazoanareo miorim-ponenana; fa any kosa dia fo manahy sy maso jambena ary fanahy kivy no homen’ny TOMPO anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra