Dia hoy izy taminy: «Tsy izany fa izao ihany: Hizaha ny toerana tsy mimanda amin’ny tany no nahatongavanareo.»
Genesisy 42:11 - Baiboly Katolika Iray ray avokoa izahay ireto, ary olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo akory ny mpanomponao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay fa tsy mba mpitsikilo tsy akory ny mpanomponao! DIEM PROTESTANTA Zanak’olona iray ihany izahay rehetra ireto; olo-marina fa tsy mba mpitsikilo akory izahay mpanomponao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Zanak’olona iray ihany izahay rehetra ireto; olo-marina fa tsy mba mpitsikilo akory izahay mpanomponao. Baiboly Protestanta Malagasy Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao. Malagasy Bible Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao. La Bible en Malgache Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay fa tsy mba mpitsikilo tsy akory ny mpanomponao! |
Dia hoy izy taminy: «Tsy izany fa izao ihany: Hizaha ny toerana tsy mimanda amin’ny tany no nahatongavanareo.»
Ny iray aminareo alefao haka ilay rahalahinareo, fa ianareo sisa kosa mijanòna ao an-tranomaizina; izany no hanamarinana ny teninareo raha ao aminareo ny fahamarinana. Fa raha tsy izany, dia mpisafo tokoa ianareo, raha velona koa i Faraôna.»
Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo, hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo, ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo.
Dia hoy iretsy: «Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: ‹Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va ianareo?› Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: ‹Ento midina ny rahalahinareo.› »
Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ilay naniraka azy no marina, ary tsy misy fitaka ao aminy.
fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin’ny mpandraharahan’Andriamanitra: dia faharetana lehibe amin’ny fahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fahantrana,