Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany.
Genesisy 41:57 - Baiboly Katolika Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin’ny tany rehetra, hividy vary amin’i Josefa, fa nihamafy ny mosary tamin’ny tany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tany rehetra dia nankany Ejipta ho any amin’i Josefa mba hividy vary fa mafy ny mosary tany amin’ny tany rehetra. DIEM PROTESTANTA Tonga tany Ejipta koa ireo avy any amin’ny tany hafa rehetra mba hividy vary amin’i Jôsefa, satria efa namely mafy ny mosary manerana ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga tany Ejipta koa ireo avy any amin’ny tany hafa rehetra mba hividy vary amin’i Jôsefa, satria efa namely mafy ny mosary manerana ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin’i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin’ny tany rehetra. Malagasy Bible Ary ny tany rehetra nankany Egypta ho any amin'i Josefa mba hividy vary; fa efa mafy ny mosary tany amin'ny tany rehetra. La Bible en Malgache Ary ny tany rehetra dia nankany Ejipta ho any amin’i Josefa mba hividy vary fa mafy ny mosary tany amin’ny tany rehetra. |
Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany.
dia niandoha kosa ny fiavian’ny taona fito mosarena, araka ny voalazan’i Josefa. Ny tany rehetra dia nisy mosary, fa ny tany Ejipta kosa dia nanan-kanin-kohanina.
Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary, novohan’i Josefa ny tranom-bary rehetra naorina tany, ary nivarotra tamin’ny Ejiptianina izy; ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin’ny tany Ejipta.
Nony fantatr’i Jakôba fa nisy vary tany Ejipta, dia hoy izy tamin’ireo zanany lahy: «Nahoana ireto ianareo no mifampijery foana eo?»
Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely, ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.
I Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin’i Josefa dia niankohoka tamin’ny teo anatrehany.
Lasan’i Josefa tamin’ny vidim-bary novidin’ny olona avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, ka nampidiriny tao an-tranon’i Faraôna izany vola izany.
Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo; fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra, mba hahatanteraka izao hita anio izao, mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.
fandrao dia lazain’ny tany namoahanao anay hoe: Tsy azon’i Iaveh natao ny nampiditra azy ireo any amin’ny tany nampanantenainy azy; sady halany izy ireo ka izany no namoahany azy, mba hahafaty azy atỳ an’efitra.