dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Genesisy 41:49 - Baiboly Katolika Koa nahangona vary hoatra ny fasika any an-dranomasina i Josefa; ary noho ny fahabetsahany mihoa-pampana dia najanona ny fanisana azy, fa efa tsy tambo hisaina intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina i Josefa; eny, be dia be izany ka tsy nanisa intsony izy satria tsy hita isa ireo. DIEM PROTESTANTA Ary nahangona vary be dia be tokoa i Jôsefa, be dia be tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina ka tsy hita isa intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nahangona vary be dia be tokoa i Jôsefa, be dia be tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina ka tsy hita isa intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa. Malagasy Bible Ary Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa. La Bible en Malgache Namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina i Josefa; eny, be dia be izany ka tsy nanisa intsony izy satria tsy hita isa ireo. |
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Ka i Josefa namory ny vokatry ny tany rehetra tamin’izany fito taona izany tany Ejipta, nanangona fitaovana tamin’ny tanàna izy, fa isan-tanàna dia samy nampidirany ny vokatry ny tany manodidina azy avy.
Talohan’ny nahatongavan’ny taona mosarena, dia niteraka roa lahy i Josefa, izay naterak’i Aseneta, zanaka vavin’i Potifara mpisorona tao Ona, taminy.
Ny fananany kosa dia ondry 7000, rameva 3000, omby 500 tsiroaroa, ampondravavy 500, ary mpanompo maro be, ka dia izy no lehilahy lehibe indrindra tamin’ny zanaky ny Tatsinanana.
dia nandatsaka hena, toy ny vovoka, teny aminy, sy vorona manana elatra hoatry ny fasiky ny ranomasina.
Toy ny tafiky ny lanitra, tsy azo isaina, sy toy ny fasika any amin’ny ranomasina tsy azo afàtra, no hampitomboako ny taranak’i Davida mpanompoko, sy ireo Levita manao ny fanompoana Ahy.
fa niakatra izy ireo miaraka amin’ny biby fiompiny sy ny lainy, ka nihahohaho toy ny valala ny fiaviny ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; tonga amin’ny tany izy, mba handrava azy.
I Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana dia niely eran’ny tany lemaka, maro toy ny valala, ary tsy hita isa ny ramevany, hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina.
Dia nivory hiady amin’i Israely ny Filistinina: telo alina ny kalesiny, enina arivo ny olona an-tsoavaly, ary ny vahoaka tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. Tonga nitoby teo Makmasy atsinanan’i Bety Avena izy.