Natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny olona rehetra tao an-tranomaizina; ary nataony tonian’izay rehetra natao tao izy.
Genesisy 41:41 - Baiboly Katolika Ary hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Indro atsangako hanapaka ny tany Ejipta rehetra ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy koa i Farao tamin’i Josefa: Indro, manendry anao hanapaka amin’ny tany Ejipta rehetra aho. DIEM PROTESTANTA Jereo fa efa nomeko anao ny fahefana amin’i Ejipta manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Jereo fa efa nomeko anao ny fahefana amin’i Ejipta manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy indray Farao tamin’i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. Malagasy Bible Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. La Bible en Malgache Hoy koa i Farao tamin’i Josefa: Indro, manendry anao hanapaka amin’ny tany Ejipta rehetra aho. |
Natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny olona rehetra tao an-tranomaizina; ary nataony tonian’izay rehetra natao tao izy.
Raha vantany vao notendreny ho filohan’ny tranony amam-pananany rehetra izy, dia notahin’i Iaveh ny tranon’ity Ejiptianina noho ny amin’i Josefa, ary tonga tamin’ny fananany rehetra, na an-tsaha na an-tanàna, ny fitahian’i Iaveh.
Ary hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Izaho no Faraôna, ary raha tsy teninao, tsy hisy hanainga ny tanany na ny tongony eto amin’ny tany Ejipta rehetra.»
I Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin’i Josefa dia niankohoka tamin’ny teo anatrehany.
Koa amin’izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain’i Faraôna sy ho tompon’ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo.
Mihoatra noho ny zanaka mahamenatra ny mpanompo malina; ka hizara lova amin’izy mirahalahy izy.
Mahita olona mailaka amin’ny raharahany va ianao? Ho eo anilan’ny mpanjaka no honenany, fa tsy mba hifanila fonenana amin’ny olona ambany izy.
fa nivoa-kanjaka, avy ao an-tranomaizina izy, na dia teraka mahantra teo amin’ny fanjakany aza.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.