Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 40:7 - Baiboly Katolika

Dia nanontanian’i Josefa ireto mpanao raharahan’i Faraôna niara-notanana an-tranomaizina taminy, tao an-tranon’ny tompony, nataony hoe: «Nahoana izato ianareo no malahelo tarehy anio?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanontanian’i Josefa ireo tandapan’i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ny tompony; hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ka nanontany azy hoe: –Nahoana no malahelo tarehy ianareo androany?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ka nanontany azy hoe: –Nahoana no malahelo tarehy ianareo androany?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanontanian’i Josefa ny tandapan’i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato hianareo ankehitriny?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanontanian’i Josefa ireo tandapan’i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ny tompony; hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo?

Jereo ny toko



Genesisy 40:7
7 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga teo amin’izy ireo i Josefa ny maraina, dia nijery azy, ka indreo nalahelo tarehy izy.


Dia nasainy atao an-tranomaizina hateloana izy ireo.


Ka hoy io taminy: «Nahoana ity ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no dia milonika be ihany toy izao isa-maraina? Tsy tianao halaza amiko va ny amin’izany?» Ka hoy i Amnôna taminy: «Tia an’i Tamara anabavin’i Absalôma rahalahiko aho.»


Ka hoy ny mpanjaka tamiko: «Nahoana ity ianao no malahelo tarehy, kanefa tsy marary tsinona? Tsy inona izao fa alahelon’ny fo mihitsy!»


«Inona izato resahinareo etỳ an-dalana, hoy Izy taminy, no toa dia efa malahelo erỳ ianareo izany?»


Dia hoy izy namaly: «Ny andriamanitro izay nataoko, nongoahanareo mbamin’ny mpisorona, dia lasa ianareo; ka inona indray àry no mba ahy? Ahoana no anaovanareo hoe: Inona no ilainao?»


Hoy i Elkanà vadiny taminy: «Ry Anà ô, ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao?»