Nihalehibe ny zaza dia notazana. Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.
Genesisy 40:20 - Baiboly Katolika Nony tamin’ny andro fahatelo, izay fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Faraôna, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Faraôna, ka samy nasandrany tokoa ny lohan’ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lohan’ny lehiben’ny mpitantana mofo; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tamin’ny andro fahatelo, izay nitsingerenan’ny taona nahaterahany, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Farao, ka nasandrany ny lohan’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ny lehiben’ny mpanao mofo teo amin’ny mpanompony. DIEM PROTESTANTA Nony afaka telo andro, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’ny Farao, ka nanao fanasam-be ho an’ireo mpanompony rehetra izy. Koa teo anivon’ireo mpanompony no nanehoan’ny Farao an’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben’ny mpanao mofo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony afaka telo andro, dia nitsingerina ny andro nahaterahan’ny Farao, ka nanao fanasam-be ho an’ireo mpanompony rehetra izy. Koa teo anivon’ireo mpanompony no nanehoan’ny Farao an’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro sy ilay lehiben’ny mpanao mofo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny andro fahatelo, izay niherenan’ny taona nahaterahan’i Farao, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ny lehiben’ny mpanao mofo teo amin’ny mpanompony. Malagasy Bible Ary tamin'ny andro fahatelo, izay niherenan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony. La Bible en Malgache Ary tamin’ny andro fahatelo, izay nitsingerenan’ny taona nahaterahany, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Farao, ka nasandrany ny lohan’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ny lehiben’ny mpanao mofo teo amin’ny mpanompony. |
Nihalehibe ny zaza dia notazana. Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka.
Ka hateloana sisa dia hasandratr’i Faraôna ny lohanao, haveriny amin’ny raharahanao indray ianao, ka hametraka ny kôpin’i Faraôna ho eo an-tanany ianao, araka ny raharahanao teo aloha, fony ianao mpandroso divay azy.
Ka hateloana sisa dia hesorin’i Faraôna ho afaka aminao ny lohanao, ary hahantony amin’ny hazo ianao, ka hohanin’ny vorona ny nofonao eo aminao.»
Nahatsiaro i Salômôna ary nahalala fa nofy izany. Ary nony tafaverina tany Jerosalema izy, dia nitoetra teo anatrehan’ny Fiaran’ny Faneken’i Iaveh, ka nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana ary nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra.
Tamin’ny taona faha-31 nahalasan-ko babo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny volana faha-12, andro faha-27n’ny volana, dia nasandratr’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, ny lohan’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, ka nesoriny tao an-tranomaizina tamin’ny taona nahatongavany ho mpanjaka.
mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha, izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy.
Tamin’ny taona faha-37 nahababo an’i Joasina, mpanjakan’i Jodà, volana faha-12, andro faha-25n’ny volana tamin’ny taona vao nanjakan’i Evil-Merôdàka, mpanjakan’i Babilôna, dia nampitràka ny lohan’i Joasina mpanjakan’i Jodà izy io, ka navoakany hiala tao an-tranomaizina.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada, ka nahafaly an’i Herôda.
Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo, ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tomponarivo ary ny loholona tany Galilea.