Tatỳ aorian’izany dia sendra diso tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony, ny mpandroso divay sy ny mpitantana mofo, ao amin’ny mpanjakan’i Ejipta.
Genesisy 40:2 - Baiboly Katolika Ka tezitra i Faraôna tamin’ireo manamboninahiny roa lahy ireo, dia ny lehiben’ny mpandroso divay sy ny lehiben’ny mpitantana mofo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nisafoaka tamin’ireo tandapany roa lahy ireo i Farao, dia tamin’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofo. DIEM PROTESTANTA Tezitra mafy tamin’ireo tandapany roa lahy ireo ny Farao, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tezitra mafy tamin’ireo tandapany roa lahy ireo ny Farao, Baiboly Protestanta Malagasy Ary tezitra indrindra tamin’ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofo. Malagasy Bible Ary tezitra indrindra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo. La Bible en Malgache Dia nisafoaka tamin’ireo tandapany roa lahy ireo i Farao, dia tamin’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofo. |
Tatỳ aorian’izany dia sendra diso tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony, ny mpandroso divay sy ny mpitantana mofo, ao amin’ny mpanjakan’i Ejipta.
ny lehiben’ny mpandroso divay naveriny amin’ny raharahany indray, ka nametraka ny kôpy teo an-tanan’i Faraôna,
Kanjo tsy mba nilaza ny amin’i Josefa ilay lehiben’ny mpandroso divay fa nanadino azy.
Fony Faraôna tezitra tamin’ny mpanompony ka nandatsaka ahy an-tranomaizina, tao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben’ny mpitantana mofo,
i Semeià avy any Ramà no amin’ny tanimboaloboka; i Zabdiasa avy any Safama no amin’ny divay voavory any amin’ny tanimboaloboka;
nony nitsangana hitsara Andriamanitra; sy hamonjy ny olo-mahantra rehetra amin’ny tany. - Selà
Iraky ny fahafatesana ny fahatezeran’ny mpanjaka; ny olon-kendry anefa dia mahatony izany.
Tahaka ny fieron’ny liona ny hatezeran’ny mpanjaka; ary tahaka ny ando amin’ny ahitra ny fanambinany.
Ny olona misafoaka mafy, hilonjo ny sazin’izany; raha voavonjinao indray mandeha izy, dia tsy maintsy hovonjenao indray.
Masiaka ny havinirana, miafonafona ny hatezerana, fa zovy no hahatoetra raha asian’ny fialonana?
Tezitra tamin’ny mponina any Tira sy Sidona i Herôda fahizany. Koa nony efa nahazo an’i Blasta mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho sakaizany ry zareo ireo, dia niara-nanatona azy mba hangataka fihavanana taminy, satria ny tanin’i Herôda no niveloman’ny fireneny.