Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 40:11 - Baiboly Katolika

Ary teny an-tanako ny kôpin’i Faraôna, ka nalaiko ny voaloboka, nofiazako ho ao anaty kôpin’i Faraôna ny ranony, dia natolotro teo an-tanan’i Faraôna ny kôpy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teny an-tanako ny kapoakan’i Farao. Nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tanan’i Farao ny kapoaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Teny an-tanako ny tsangambavan’ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan’ny Farao ilay tsangambava.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Teny an-tanako ny tsangambavan’ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan’ny Farao ilay tsangambava.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary teny an-tànako ny kapoakan’i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tànan’i Farao ny kapoaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teny an-tanako ny kapoakan’i Farao. Nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tanan’i Farao ny kapoaka.

Jereo ny toko



Genesisy 40:11
11 Rohy Ifampitohizana  

Tatỳ aorian’izany dia sendra diso tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony, ny mpandroso divay sy ny mpitantana mofo, ao amin’ny mpanjakan’i Ejipta.


ary nisampana telo io foto-boaloboka io; dia nitsimoka izy, niposaka ny voniny, nanjary voaloboka masaka ny sampahony.


Dia hoy i Josefa taminy: «Izao no hevitr’izany: Ny sampany telo, dia hateloana.


ny lehiben’ny mpandroso divay naveriny amin’ny raharahany indray, ka nametraka ny kôpy teo an-tanan’i Faraôna,


Mamatotra ny zanak’ampondrany amin’ny voaloboka izy ary ny zanak’ampondravaviny amin’ny tahom-boaloboka. Sasàny amin’ny divay ny fitafiany, ary amin’ny ran’ny voaloboka ny kapaotiny.


ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran’ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony mbamin’ny mpandroso divay eo aminy, ny ambaratonga fiakarany ho eo amin’ny tranon’i Iaveh, dia talanjona


ny sakafo teo ambony latabany, ny efitranon’ny mpanompony; ny efitrano amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony, ny mpandroso divay ao aminy amam-pitafian’ireo, ary ny ambaratonga fiakarany ho ao an-tranon’i Iaveh, dia talanjona foana teo izy,


Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.


Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao, ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao.


«Aza misotro divay na fisotro mahamamo ianao, sy ny zanakao koa, rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana, mba tsy hahafaty anareo,