Genesisy 38:7 - Baiboly Katolika Ratsy fanahy teo imason’i Iaveh anefa i Hera, lahy matoan’i Jodà, ka novonoin’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ratsy fanahy teo imason’NY TOMPO anefa i Era, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Fa ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera ka nampamonoin’ny TOMPO ho faty. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera ka nampamonoin’ny TOMPO ho faty. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ratsy fanahy teo imason’i Jehovah Era, lahimatoan’i Joda; dia novonoin’i Jehovah izy. Malagasy Bible Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy. La Bible en Malgache Ratsy fanahy teo imason’NY TOMPO anefa i Era, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’NY TOMPO. |
fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin’ny mponina eto ho eo anatrehan’i Iaveh; ka nirahin’i Iaveh izahay handrava azy.»
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.
Dia niantso an’i Iaveh izy, nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?»
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, sy i Selà: izy telo lahy ireo no naterak’ilay zanaka vavin’i Soe, ilay vehivavy Kananeanina, taminy. I Hera lahimatoan’i Jodà dia ratsy fanahy teo imason’i Iaveh, ka nasiany ho faty.
Nampamakiny ny afo tao an-dohasahan’i Bena-Enôma ny zanany, Narahiny avokoa ny fomban’ny fanandroana, ny sikidy, ny fankatoavana, nanendry olona ho mpiantso ny fanahy sy ho mpanao ody izy.
Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.
Raha olombelona no anotan’olombelona dia Andriamanitra no mitsangan-ko elanelam-panahy, fa raha i Iaveh kosa no anotàny, iza no hifona ho azy?» Tsy nihaino ny feon-drainy anefa izy fa ny hahafaty azy no sitrak’i Iaveh.