Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
Genesisy 37:5 - Baiboly Katolika Nanonofy i Josefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny izany; ka vao mainka koa nankahalàny azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanonofy i Josefa ka nambarany tamin’ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalan’izy ireo azy izany. DIEM PROTESTANTA Indray mandeha dia nanonofy i Jôsefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny ny nofiny, ka vao mainka niampy ny fankahalàn’ireo azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indray mandeha dia nanonofy i Jôsefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny ny nofiny, ka vao mainka niampy ny fankahalàn’ireo azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin’ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany. Malagasy Bible Ary nanonofy Josefa, ka nambarany tamin'ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalany azy izany. La Bible en Malgache Ary nanonofy i Josefa ka nambarany tamin’ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalan’izy ireo azy izany. |
Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany tafapaka amin’ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
Tamin’ny fotoana itadiavan’ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin’ny nofy, fa sadika sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin’ny ondry vavy.
Nisy Anjelin’Andriamanitra nilaza tamiko, tamin’ny nofy hoe: ‹Ry Jakôba!› Ka novaliako hoe: ‹Inty aho.› Dia hoy izy:
Nony hitan’ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana.
Ary hoy ireo rahalahiny taminy: «Dia hanjaka aminay ve ianao e, ary dia ho eo ambany fanapahanao ve izahay e?» Izany nofiny aman-teniny izany, no vao mainka koa nankahalàny azy.
Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitantana mofon’ny mpanjakan’i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samy hafa ny hevitry ny nofiny.
Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy i Faraôna: Indro nitsangana teo amoron’ny ony izy;
Tsaroan’i Josefa tamin’izay ny nanofisany azy ireo, ka hoy izy taminy: «Mpisafo ianareo; hizaha ny toerana tsy mimanda amin’ny tany no nahatongavanareo.»
Ary i Iaveh niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina, tany Gabaôna, ka hoy Andriamanitra taminy: «Angataho izay tianao homeko anao.»
Ny fifankazarana amin’i Iaveh dia anjaran’ny matahotra Azy. Hampahafantariny azy ny fanambinana avy amin’ny fanekem-pihavanany.
Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh, raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin’ny mpaminany mpanompony.
ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.
Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa.