Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»
Genesisy 37:4 - Baiboly Katolika Nony hitan’ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony hitan’ny rahalahiny fa i Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy dia nankahala azy izy ireo ka tsy afaka nilaza teny tsara taminy. DIEM PROTESTANTA Hitan’ireo rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Jôsefa, ka nankahalainy sady tsy hainy nitenenana tamim-pihavanana intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hitan’ireo rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Jôsefa, ka nankahalainy sady tsy hainy nitenenana tamim-pihavanana intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony hitan’ny rahalahiny fa Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy. Malagasy Bible Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy. La Bible en Malgache Nony hitan’ny rahalahiny fa i Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy dia nankahala azy izy ireo ka tsy afaka nilaza teny tsara taminy. |
Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.»
Nanonofy i Josefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny izany; ka vao mainka koa nankahalàny azy.
fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.
Sasatry ny mitaraina aho; maimay ny tendako; valaka eo amin’ny fiandrasana an’Andriamanitra, ny masoko.
Fa na rahalahinao amam-pianakavian-drainao aza, mamadika anao; ireny aza miantsoantso mafy avy eo aorianao; aza mino azy, na manao teny malefaka aminao aza izy.
ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany;
Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon’ny faniriana amam-pilàn-dratsin’ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifiny hankahalaina no nifankahala koa.
Fa izay mankahala ny namany dia ao anatin’ny haizina sy mandeha amin’ny maizina, ka tsy mahalala izay halehany, fa voajamban’ny haizina ny masony.
Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.
fa tsy mba hanahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay ratsy ka namono nahafaty ny rahalahiny. Ary ahoana moa no namonoany azy? - Dia satria ratsy ny asany, fa ny an’ny rahalahiny kosa dia marina.
Raha misy milaza azy ho tia an’Andriamanitra, nefa mankahala ny namany, dia mpandainga izy; satria, raha ny namany hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra tsy hitany?
Nirehitra tamin’i Davida ny fahatezeran’i Eliaba zokiny lahimatoa, nony nandre azy niteny tamin’ireo olona ireo izy, ka hoy izy: «Fa inona moa no nidinanao atỳ? Ary iza no namelanao ireny ondry vitsy ireny, any an’efitra? Fantatro moa raha ny avonavonao sy ny haratsiam-ponao, ny hizaha ny ady fotsiny no nidinanao tatỳ!»