Nony tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahany ny akanjony, ilay akanjo lava fitondrany.
Genesisy 37:3 - Baiboly Katolika Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tian’Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo misoratsoratra. DIEM PROTESTANTA Tian’i Jakôba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Jôsefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tian’i Jakôba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Jôsefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tian’Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava. Malagasy Bible Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava. La Bible en Malgache Tian’Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo misoratsoratra. |
Nony tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahany ny akanjony, ilay akanjo lava fitondrany.
Fa nalain’ireo rahalahiny kosa ny akanjon’i Josefa, ka namono osilahy izy, ary natsobony tamin’ny ra ny akanjo.
Dia nampanateriny tany amin-drainy ny akanjo lava, nasainy nolazaina taminy hoe: «Ity no hitanay, ka jereo na ny akanjon’ny zanakao ity na tsia.»
Akanjo mirebareba no nentin-dravehivavy, fa izany no fitafiana fanaon’ny zanaky ny mpanjaka dieny mbola virjiny izy. Dia navoakan’ny mpanompo izy, ka narindriny ny varavarana nony tafavoaka izy.
Nangalanao ny fitafianao, ka nanaovanao fitoerana avo samihafa soratra ho anao, dia nijangajanga teo amboniny ianao: tsy mbola nisy izay toy izany, ary tsy hisy na oviana na oviana intsony.
Tsy nahita va izy ireo, tsy mizara babo va izy ireo? Zazavavy iray, zazavavy roa ho an’ny isa-mpiady; lamba misoratsoratra ho babon’i Sisarà; lamba samihafa soratra ho babo, lamba misoratsoratra iray, lamba roa samy hafa soratra ho eo an-tsoroky ny vavy.