Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»
Genesisy 37:22 - Baiboly Katolika Hoy i Robena tamin’izy ireo: «Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.» Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy koa i Robena tamin’izy ireo: Aoka tsy handatsa-dra ianareo; fa atsipazo ao anatin’io lava-drano etỳ an-tany efitra io izy fa aza misy mikasi-tanana azy ianareo. Izany no nolazainy mba hamonjeny an’i Josefa amin’ny tanan’ny rahalahiny ka hamerenany azy any amin’ny rainy. DIEM PROTESTANTA Sady mbola nampian’i Reobena hoe: –Aza mandatsa-dra ianareo; aza vonoina ho faty izy, fa atsipazo ao anatin’io lavaka atỳ an-taniefitra io fotsiny. Nilaza izany taminy izy, mba hamonjeny azy ka hamerenany azy any amin’ny rainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Sady mbola nampian’i Reobena hoe: –Aza mandatsa-dra ianareo; aza vonoina ho faty izy, fa atsipazo ao anatin’io lavaka atỳ an-taniefitra io fotsiny. Nilaza izany taminy izy, mba hamonjeny azy ka hamerenany azy any amin’ny rainy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-dra hianareo; atsipazo ao anatin’io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tànana aminy hianareo,–mba hamonjeny azy amin’ny tànan’ny rahalahiny hitondrany azy any amin’ny rainy indray. Malagasy Bible Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray. La Bible en Malgache Hoy koa i Robena tamin’izy ireo: Aoka tsy handatsa-dra ianareo; fa atsipazo ao anatin’io lava-drano etỳ an-tany efitra io izy fa aza misy mikasi-tanana azy ianareo. Izany no nolazainy mba hamonjeny an’i Josefa amin’ny tanan’ny rahalahiny ka hamerenany azy any amin’ny rainy. |
Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»
Nandre izany i Robena, ka namonjy azy teo an-tanan’ireo; hoy izy: «Aza mamono azy isika»
Nony tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahany ny akanjony, ilay akanjo lava fitondrany.
Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe: «Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; ka indro arahina amintsika izao ny rany.»
Tsy naninjitra ny tanany tamin’ireo olom-boafidin’ny zanak’i Israely izy: dia nahita an’Andriamanitra ireo, ka nihinana sy nisotro.
Efa nihanta mafy tamin’ny mpanjaka anefa i Elnatàna sy i Dalaiasa ary i Gamariasa, mba tsy handoro ilay horonan-taratasy; fa tsy nohenoiny izy ireo.
Nony hitan’i Pilaty, fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia nampaka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka ary nanao hoe: «Afa-tsiny amin’ny Ran’io Lehilahy marina io aho; fa raharahanareo.»
Tamin’izany andro izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina mba hampahoriana ny sasany anisan’ny Eglizy.
fa vonoy ho faty izy, ka ny tananao mihitsy no aoka hiainga voalohany hamely azy ho faty vao ny tanan’ny vahoaka rehetra.