Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 37:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Sady mbola nampian’i Reobena hoe: –Aza mandatsa-dra ianareo; aza vonoina ho faty izy, fa atsipazo ao anatin’io lavaka atỳ an-taniefitra io fotsiny. Nilaza izany taminy izy, mba hamonjeny azy ka hamerenany azy any amin’ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Hoy koa i Robena tamin’izy ireo: Aoka tsy handatsa-dra ianareo; fa atsipazo ao anatin’io lava-drano etỳ an-tany efitra io izy fa aza misy mikasi-tanana azy ianareo. Izany no nolazainy mba hamonjeny an’i Josefa amin’ny tanan’ny rahalahiny ka hamerenany azy any amin’ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Sady mbola nampian’i Reobena hoe: –Aza mandatsa-dra ianareo; aza vonoina ho faty izy, fa atsipazo ao anatin’io lavaka atỳ an-taniefitra io fotsiny. Nilaza izany taminy izy, mba hamonjeny azy ka hamerenany azy any amin’ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Hoy i Robena tamin’izy ireo: «Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.» Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-dra hianareo; atsipazo ao anatin’io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tànana aminy hianareo,–mba hamonjeny azy amin’ny tànan’ny rahalahiny hitondrany azy any amin’ny rainy indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary hoy koa Robena taminy: Aoka tsy handatsa-drà ianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka etỳ an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tanana aminy ianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tanan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.


Rehefa nandre izany i Reobena, dia tapa-kevitra hamonjy an’i Jôsefa ka nanao hoe: –Aoka re tsy hovonointsika ho faty izy.


Raha vao tonga teo amin’ny rahalahiny i Jôsefa, dia nendahan’ireo ny fitafiany, izany hoe ilay akanjo tsara tarehy teny aminy;


Dia niteny i Reobena hoe: –Moa tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: «Aza manao heloka bevava amin’i Jôsefa leiretsy», kanefa tsy nihaino ahy ianareo. Koa izao dia manody antsika ny rany.


Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.


Ary na dia niangavy mafy tamin’ny mpanjaka aza i Elnatàna sy i Delaià ary i Gemarià mba tsy handoroany ny horonan-taratasy, dia tsy nohenoiny;


Nony hitan’i Pilato fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady nanao hoe: –Afa-tsiny amin’ny hahafatesan’io Lehilahy io aho! Raharahanareo ny anareo.


Tamin’izany fotoana izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan’ny Fiangonana mba hampahorîna.


Koa aza manaiky na mihaino ny havana aman-tsakaiza toy ireny ianareo. Ary aza mba angorahana izy na amindrana fo na arovana,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra