Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 37:21 - Baiboly Katolika

21 Nandre izany i Robena, ka namonjy azy teo an-tanan’ireo; hoy izy: «Aza mamono azy isika»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Raha nandre izany i Robena dia namonjy azy tamin’ny tanan’ireo ka niteny hoe: Aoka tsy hamono azy isika.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

21 Rehefa nandre izany i Reobena, dia tapa-kevitra hamonjy an’i Jôsefa ka nanao hoe: –Aoka re tsy hovonointsika ho faty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Rehefa nandre izany i Reobena, dia tapa-kevitra hamonjy an’i Jôsefa ka nanao hoe: –Aoka re tsy hovonointsika ho faty izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin’ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Raha nandre izany i Robena dia namonjy azy tamin’ny tanan’ireo ka niteny hoe: Aoka tsy hamono azy isika.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 37:21
6 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely. Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.


Hoy i Robena tamin’izy ireo: «Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.» Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy.


Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe: «Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; ka indro arahina amintsika izao ny rany.»


Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.


ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.


Afak’i Jôsoe androtr’izay ihany koa i Makedà, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany, ary naringany nataony anatema ny tanàna mbamin’ny manana aina rehetra tao, fa tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary tahaka ny nanaovany ny mpanjakan’i Jerikô no nanaovany ny mpanjakan’i Makedà koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra