dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Genesisy 34:20 - Baiboly Katolika Dia nankeo am-bavahadin’ny tanàna i Hemora sy i Sikema zanany, ka niteny tamin’ny mponina tao an-tanànany nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa nankeo amin’ny vavahadin’ny tanànany i Hamora sy i Sekema zanany lahy dia niteny tamin’ny mponina tao an-tanànany hoe: DIEM PROTESTANTA Koa nankeo amin’ny toerana teo am-bavahadin’ny tanàna i Hamôra sy i Sekema, ary nikabary tamin’ireo olona tao an-tanànany nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nankeo amin’ny toerana teo am-bavahadin’ny tanàna i Hamôra sy i Sekema, ary nikabary tamin’ireo olona tao an-tanànany nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin’ny vavahadin’ny tanànany, dia niteny tamin’ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe; Malagasy Bible Ary Hamora sy Sekema zananilahy nankeo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tanànany ka nanao hoe: La Bible en Malgache Koa nankeo amin’ny vavahadin’ny tanànany i Hamora sy i Sekema zanany lahy dia niteny tamin’ny mponina tao an-tanànany hoe: |
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Ary i Efrôna nipetraka teo afovoan’ny zanak’i Heta. I Efrôna Heteanina namaly an’i Abrahama teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany; hoy izy taminy:
ka tsy nitaredretra ny hanao izany zavatra izany razazalahy, fa fatra-pitia ny zanakavavin’i Jakôba izy, ary izy no tò teny indrindra tao an-tranon-drainy.
«Olona tia fihavanana ireto olona eto amintsika ireto, ka aoka izy honina amin’ny tany, sy hanao varotra eto, fa malalaka ny tany, na ankavanana na ankavia, ka omby azy. Dia ny zanany vavy halaintsika ho vady; ny zanatsika vavy kosa homentsika ho azy ireo.
Nifoha maraina koa i Absalôma dia nitoetra teo akaikin’ny lalana mankao am-bavahady, ka isaky ny nisy olona manana ady, nankao amin’ny mpanjaka hangataka fitsarana, dia nantsoin’i Absalôma izy nataony hoe: «Aninona no tanàna iavianareo?» ka nony namaly hoe: «Avy any ananona amin’ny fokon’i Israely ny mpanomponao,»
Raha nivoaka ho eo am-bavahadin’ny tanàna aho, ka nianina nipetraka teo amin’ny kianja;
Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’izany, fa tsy ho menatra raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Fantatra tsara ny lahy eo am-bavahady, raha mipetraka hitsara miaraka amin’ny loholona.
Mankahala eo am-bavahady izay mananatra izy ireo; ary tsy tia mainty an’izay miteny amim-pahamarinana.
Fa fantatro fa maro ny helokareo ary lehibe ny fahotanareo, ianareo izay mampahory ny marina sy mandray kolikoly, ary mampandefitra ny rariny momba ny mahantra eo am-bavahady.
Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba i Iaveh Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin’izay sisa amin’i Josefa!
Izao no zavatra tsy maintsy hotandremanareo: Samia milaza ny marina amin’ny namany avy; mamoaha fitsarana eo am-bavahadinareo araka ny marina ary mba hihavanan’ny olona;
dia avoahy eo am-bavahady izay lehilahy na vehivavy meloka nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty na lehilahy na vehivavy.
Niakatra teo am-bavahadin’ny tanàna i Booza ka nipetraka tao. Ary ity tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan’i Booza, ka hoy izy taminy: «O Ranona irỳ ô, mijanòna kely, mipetraha eto.» Dia nijanona ilay lehilahy sady nipetraka.