Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.
Genesisy 34:12 - Baiboly Katolika na harem-be asainareo haloako, na fanomezana be vava, izay tononinareo homeko avokoa, fa omeo ho vadiko ny zazavavy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy Razazavavy ho vadiko! DIEM PROTESTANTA Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no takînareo amiko, dia homeko ihany, raha omenareo ho vadiko razazavavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no takînareo amiko, dia homeko ihany, raha omenareo ho vadiko razazavavy. Baiboly Protestanta Malagasy na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko. Malagasy Bible na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko. La Bible en Malgache Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy Razazavavy ho vadiko! |
Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.
Ary i Jakôba tia an-dRasela ka nanao hoe: «Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vavy aivo.»
Roapolo taona izao no nitoerako tao an-tranonao: ny efatra ambin’ny folo taona, nanompoako anao, hahazoako azy mirahavavy zanakao; ny enin-taona kosa, hahazoako tamin’ny biby fiompinao; ary ny karamako efa navadikao impolo.
Hoy kosa i Sikema tamin’ny rain’i Dinà, sy ireo anadahiny: «Aoka mba hahita fitia eo imasonareo aho, fa homeko anareo izay tononinareo amiko,
Saroro no navalin’ny zanak’i Jakôba an’i Sikema sy i Hemora, rainy noho ny nandotoan’i Sikema an’i Dinà, anabavin’izy ireo,
Dia nandefa iraka ho any amin’i Isbôseta zanak’i Saola i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikola vadiko izay nampakariko notakalozako hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato.»
fa raha teo anatrehan’ny tompony kosa, tsy hisy onitra. Ary raha biby nohofany, dia ny hofany no ho solon’ny onitra».
Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida mba ho ren’ny sofiny izany teny izany; ka hoy ny navalin’i Davida: «Fa ataonareo ho zavatra kely ve izany ho vinanton’ny mpanjaka é? Izaho dia olo-mahantra sy iva razana».