Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 34:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no takînareo amiko, dia homeko ihany, raha omenareo ho vadiko razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy Razazavavy ho vadiko!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no takînareo amiko, dia homeko ihany, raha omenareo ho vadiko razazavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 na harem-be asainareo haloako, na fanomezana be vava, izay tononinareo homeko avokoa, fa omeo ho vadiko ny zazavavy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko, dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy Razazavavy ho vadiko!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 34:12
13 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia namoaka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka nomeny an’i Rebekà; nomeny zavatra sarobidy maro koa ny anadahiny sy ny reniny.


Ary tia an’i Rahely i Jakôba ka niteny tamin’i Labàna hoe: –Hanompo anao fito taona aho mba hahazoako manambady an’i Rahely faravavinao.


Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako.


I Sekema mihitsy no tonga niteny tamin’ny rain’i Dinà sy ny anadahiny hoe: –Mba amindrao fo aho fa homeko anareo izay takînareo amiko.


Dia namaly an’i Sekema sy i Hamôra rainy tamin’ny hafetsena ireo zanakalahin’i Jakôba, satria nandoto an’i Dinà anabaviny izy.


Dia naniraka olona nankany amin’i Isbôsèta zanakalahin’i Saoly i Davida hanao aminy hoe: «Omeo ahy i Mikàla vadiko izay efa azoko ho takalon’ireo tsitsy zaton’ny Filistinina.»


«Raha misy olona mahasarika tovovavy tsy mbola voafofo ka mandry aminy, dia tsy maintsy mandoa vodiondry izy ka mampakatra azy ho vadiny.


Koa novidiko sekela volafotsy dimy ambin’ny folo sy ôrza enin-jato litatra ny vadiko.


Dia hoy ny mpianatra taminy: –Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa atỳ aminay.


Dia naverin’ireo minisitr’i Saoly tamin’i Davida izany teny izany. Fa hoy i Davida tamin’izy ireo: –Heverinareo fa zavatra kely moa izany ho vinanton’ny mpanjaka izany? Izaho anefa dia olo-mahantra tsy misy dikany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra