Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran’i Jakôba, ka hoy izy: «Izaho va no solon’Andriamanitra nahamomba anao?»
Genesisy 33:5 - Baiboly Katolika Nony nanopy ny masony i Esao, ka nahita ireto zaza amam-behivavy dia nanao hoe: «Iza avy ireto miaraka aminao?» Ary hoy i Jakôba: «Ireo no zaza nomen’Andriamanitra ny mpanomponao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nanopy ny masony i Esao ka nahita ny zaza amam-behivavy dia niteny hoe: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa i Jakoba: Ny zaza izay nomen’Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. DIEM PROTESTANTA Ary nony nahita ireo zaza amam-behivavy i Hesao, dia nanontany hoe: –Ary iza ireto miaraka aminao ireto? Hoy kosa i Jakôba hoe: –Ireo no zaza nomen’Andriamanitra ahy mpanomponao noho ny fahasoavany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony nahita ireo zaza amam-behivavy i Hesao, dia nanontany hoe: –Ary iza ireto miaraka aminao ireto? Hoy kosa i Jakôba hoe: –Ireo no zaza nomen’Andriamanitra ahy mpanomponao noho ny fahasoavany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen’Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. Malagasy Bible Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. La Bible en Malgache Rehefa nanopy ny masony i Esao ka nahita ny zaza amam-behivavy dia niteny hoe: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa i Jakoba: Ny zaza izay nomen’Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. |
Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran’i Jakôba, ka hoy izy: «Izaho va no solon’Andriamanitra nahamomba anao?»
Ka hoy i Josefa tamin-drainy: «Ireo no zanako nomen’Andriamanitra ahy tatỳ» Ary hoy izy: «Mba ampandrosoy kely ho eto anilako izy, hotsofiko rano.»
Tamin’ny zanako rehetra kosa, - fa nomen’i Iaveh zanaka maro aho, - i Salômôna zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Iaveh amin’i Israely.
Inty aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy, dia famantarana sy fambara amin’i Israely izahay, avy amin’i Iavehn’ny tafika, izay monina ao an-tendrombohitra Siôna.
sy ny hoe: Izaho hatoky azy; ary ny hoe: Inty Aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy.
Dia nampakarin’i Booza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Booza. Ary nampanana anaka an’i Rota i Iaveh ka niteraka zazalahy izy.
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko ary neken’i Iaveh ny fangatahana nataoko taminy.