Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 32:7 - Baiboly Katolika

Raiki-tahotra mafy i Jakôba sy velom-panahiana izaitsizy. Nozarainy ho antokony roa ny olona nomba azy, mbamin’ny ondry sy ny omby ary ny rameva.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa niverina tany amin’i Jakoba ireo iraka dia niteny hoe: Tafahaona tamin’i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efajato lahy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niverina tany amin’i Jakôba ireo iraka ka nilaza hoe: –Tonga tany amin’i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin’ny olona efajato lahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niverina tany amin’i Jakôba ireo iraka ka nilaza hoe: –Tonga tany amin’i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin’ny olona efajato lahy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niverina tany amin’i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin’i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa niverina tany amin’i Jakoba ireo iraka dia niteny hoe: Tafahaona tamin’i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efajato lahy.

Jereo ny toko



Genesisy 32:7
22 Rohy Ifampitohizana  

Vonjeo re aho, ho afaka amin’ny tanan’ny rahalahiko, dia amin’ny tanan’i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin’ny zanany izy.


Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma


Fa hoy izy: «Raha tafahaona amin’ny antokony iray i Esao ka mamely azy, dia ho afaka hanavotra ny ainy ny antokony iray sisa.»


Ary natopin’i Jakôba ny masony, ka indro tamy i Esao omban’olona efajato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho any amin’i Lià sy ho any amin’i Rasela ary ho any amin’ny ankizy vavy roa.


Fa hiainga isika hiakatra ho any Betela. Hanangana ôtely any aho, ho an’ilay Andriamanitra izay nihaino ahy tamin’ny andron’ny fahoriako, sy nomba ahy tamin’ny lalana nalehako.»


Fa nitaraina tamin’i Iaveh tao anatin’ny fahoriana izy, ka novonjeny ho afaka tamin’ny fahaporetany.


Sambatra ny olona manao famindram-po sy mampisambotra; hahery an’ady izy, eo amin’ny fitsarana.


Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatrao ny lalako, fantatrao fa any an-dalana izorako, amelaran’ireny fandrika hamelezana ahy.


zavatra fanadino aho, toy ny maty, lavitra ny fon’ny olona; mova tsy ny kapoaka vaky iny aho.


Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako, mihainoa tsara ny fivavahako.


Nony mby akaiky i Faraôna, natopin’ny zanak’i Israely ny masony, dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejiptianina, ka raiki-tahotra mafy ny zanak’i Israely, sy velon-taraina tamin’i Iaveh.


dia hitandrina anao ny fisainana, ary hiambina anao ny fahalalana,


Ny Andriamaniny no nampianatra azy izany fitsipika izany, sy nanoro azy.


Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra toy ny voromahailala.


Ary hoy i Jesoa taminy: «Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?» Dia niarina izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.


Izaho no nilaza izany taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho.


Isan’Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany.


Izay manafaka alahelo anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahazoanay manafaka alahelo ny tra-pahoriana rehetra, amin’ny fanalana alahelo noraisinay taminy.


Dia hita fa izay rehetra te ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina,