Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Niverina tany amin’i Jakôba ireo iraka ka nilaza hoe: –Tonga tany amin’i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin’ny olona efajato lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Rehefa niverina tany amin’i Jakoba ireo iraka dia niteny hoe: Tafahaona tamin’i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efajato lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Niverina tany amin’i Jakôba ireo iraka ka nilaza hoe: –Tonga tany amin’i Hesao rahalahinao izahay; ary ny tenany mihitsy no tamy hitsena anao miaraka amin’ny olona efajato lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Raiki-tahotra mafy i Jakôba sy velom-panahiana izaitsizy. Nozarainy ho antokony roa ny olona nomba azy, mbamin’ny ondry sy ny omby ary ny rameva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Dia niverina tany amin’i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin’i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Rehefa niverina tany amin’i Jakoba ireo iraka dia niteny hoe: Tafahaona tamin’i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efajato lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:7
22 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.


Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.


Dia raiki-tahotra mafy i Jakôba ka nangitakitaka; ary nozarainy ho antoko roa ny olona niaraka taminy sy ireo ondry aman’osy ary omby sy rameva,


Ary nitazana i Jakôba ka nahita an’i Hesao tamy miaraka amin’ny olona efajato lahy. Koa nozarainy tamin’i Leà sy i Rahely ary ny mpanompovavy roa ireo zaza.


Ndeha isika hiainga hiakatra any Betela; fa hanamboatra alitara any aho ho an’Andriamanitra Izay nihaino ahy tamin’ny androm-pahoriako sady nomba ahy tamin’izay rehetra nalehako.


Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy fa ory ka nafahany tamin’ny fahatereny,


tsara ny miantra sy ny mampisambotra ary ny mitantana asa fihariana amim-pahitsiana.


Raha reraka ato anatiko aho, dia fantatrao ny manjo ahy. Eo amin’ny lalana izorako no namelaram-pandrika hamely ahy.


Tsy fantatra intsony aho fa hadino toy ny maty sy toy ny zavatra nariana.


Andriamanitra ô, mba henoy ny tarainako, aoka ho tandrinao ny fivavako!


Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO


hiaro anao ny fahamalinana ary hiambina anao ny fahaiza-manavaka;


Izany no fomba natoron’Andriamaniny azy; izany no nampianariny azy.


–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Mampahery anay amin’ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian’ny fahoriana isan-karazany.


Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra