Ary hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Omeo ahy ny vadiko fa tapitra ny fetr’androko dia hankaminy aho.»
Genesisy 32:22 - Baiboly Katolika Tamin’iny alina iny ihany dia nitsangana izy, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy: dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny, fa izy dia mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’io alina io. DIEM PROTESTANTA Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’iny alina iny. Malagasy Bible Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny. La Bible en Malgache Dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny, fa izy dia mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’io alina io. |
Ary hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Omeo ahy ny vadiko fa tapitra ny fetr’androko dia hankaminy aho.»
Dia nandroso nialoha ny fanomezana, fa izy mbola nijanona teo amin’ny toby ihany, ny alin’iny.
Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe i Benôni ny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
Tsy nisy nakaikenao anefa ny tanin’ny taranak’i Amôna, ary na aiza na aiza koa teo amoron’ny ranon-driaka Jabaoka, na ny tanàna eo amin’ny tendrombohitra na ny toerana rehetra efa nandraran’i Iaveh Andriamanitsika anao.
Ny Robenita sy ny Gadita nomeko ny sasany amin’i Galaada hatramin’ny ranon-driaka Arnôna, ny am-pamatonan’ny lohasaha no faritra aminy, hatramin’ny ranon-driaka Jabaoka, sisin-tanin’ny zanak’i Amôna,
fa izay tsy miahy ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana, ka ratsy noho ny tsy mpino aza.
i Sehôna mpanjakan’ny Amôreana, izay nonina tao Hesebona; ny takatry ny fahefany dia hatrany Arôera, eo amin’ny ranon-driakan’i Arnôna, ary hatreo am-pamatonan’ny lohasaha amin’ny antsasak’i Galaada, ka hatramin’ny ranon-driakana Jaboaka, faritry ny tanin’ny taranak’i Amôna,
Ary hoy ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna, namaly ny irak’i Jefte: «Satria, raha niakatra avy any Ejipta i Israely, dia nalainy ny taniko, hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka sy Jordany. Koa avereno amim-pihavanana izany ankehitriny.»