Nony hariva, inty tonga avy any an-tsaha i Jakôba, ka nivoaka nitsena azy i Lià, nanao hoe: «Ato amiko no halehanao fa efa nohofako ny mandragoran-janako ianao.» Dia nandry taminy izy ny alin’izay.
Genesisy 30:17 - Baiboly Katolika Ary nihaino an’i Lià Andriamanitra ka nanana anaka izy, dia nitera-dahy fanindiminy tamin’i Jakôba; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary Andriamanitra nihaino an’i Lea ka nanana anaka izy ka niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakoba. DIEM PROTESTANTA Ary nohenoin’Andriamanitra ny vavak’i Leà, ka bevohòka izy ary niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakôba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nohenoin’Andriamanitra ny vavak’i Leà, ka bevohòka izy ary niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Andriamanitra nihaino an’i Lea, dia nanan-anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin’i Jakoba. Malagasy Bible Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy fahadiminy tamin'i Jakoba. La Bible en Malgache Ary Andriamanitra nihaino an’i Lea ka nanana anaka izy ka niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakoba. |
Nony hariva, inty tonga avy any an-tsaha i Jakôba, ka nivoaka nitsena azy i Lià, nanao hoe: «Ato amiko no halehanao fa efa nohofako ny mandragoran-janako ianao.» Dia nandry taminy izy ny alin’izay.
ka hoy i Lià: «Nomen’Andriamanitra ny karamako aho tamin’ny nanomezako ny ankizivaviko ho an’ny vadiko.» Dia nataony hoe Isakara ny anarany.
Ka hoy i Rasela: «Nomen’Andriamanitra ny rariny aho, ary nohenoiny ny feoko, ka nomeny zazalahy aho.» Izany no nanaovany ny anarany hoe i Dana.
Ary hoy i Iaveh hoe: «Efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany.
Fa hoy ny Anjely taminy. «Aza matahotra, ry Zakaria, fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Joany no hataonao anarany:
Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.