Genesisy 30:10 - Baiboly Katolika Ary nitera-dahy tamin’i Jakôba i Zelfa ankizy vavin’i Lià. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Zilpa, mpanompovavin’i Lea, dia niteraka zazalahy tamin’i Jakoba. DIEM PROTESTANTA Ary i Zilpà niteraka zazalahy tamin’i Jakôba, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Zilpà niteraka zazalahy tamin’i Jakôba, Baiboly Protestanta Malagasy Ary Zilpa, ankizivavin’i Lea, dia niteraka zazalahy tamin’i Jakoba. Malagasy Bible Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy tamin'i Jakoba. La Bible en Malgache Ary i Zilpa, mpanompovavin’i Lea, dia niteraka zazalahy tamin’i Jakoba. |
Rahefa hitan’i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zelfa ankizy vaviny ka nomeny ho vadin’i Jakôba.
Zanak’i Zelfah, ankizivavin’i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakôba, naterany tany Padan-Arama.
Manolotra ny sisin-tanin’i Zabolôna, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Gada.
Ny taranak’i Gada, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,
Ny zana-dRobena sy ny zanak’i Gada dia nanana biby fiompy be tokoa; ka nony hitany fa tany tsara ho fiandrasana biby fiompy ny tany ao Jazera sy ny tany ao Galaada,