Ary i Jakôba tia an-dRasela ka nanao hoe: «Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vavy aivo.»
Genesisy 29:21 - Baiboly Katolika Ary hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Omeo ahy ny vadiko fa tapitra ny fetr’androko dia hankaminy aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Jakoba tamin’i Labana: Omeo ahy ny vadiko mba hiarahako aminy, fa efa tapitra ny fe-potoana! DIEM PROTESTANTA Rehefa afaka izany, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: –Aiza amin’izay ny vadiko hampakariko, fa efa tapitra ny fe-potoana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa afaka izany, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: –Aiza amin’izay ny vadiko hampakariko, fa efa tapitra ny fe-potoana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Jakoba tamin’i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr’androko. Malagasy Bible Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko. La Bible en Malgache Ary hoy i Jakoba tamin’i Labana: Omeo ahy ny vadiko mba hiarahako aminy, fa efa tapitra ny fe-potoana! |
Ary i Jakôba tia an-dRasela ka nanao hoe: «Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vavy aivo.»
Dia nanompo fito taona i Jakôba, mba hahazoany an-dRasela, ary toa andro vitsy foana teo imasony izany, noho ny fitiavany azy.
Roapolo taona izao no nitoerako tao an-tranonao: ny efatra ambin’ny folo taona, nanompoako anao, hahazoako azy mirahavavy zanakao; ny enin-taona kosa, hahazoako tamin’ny biby fiompinao; ary ny karamako efa navadikao impolo.
ka nivily nanitsy azy teny amin’ny lalana izy, dia nanao hoe: «Aoka mba handeha aminao aho.» Fa tsy fantany hoe vinantony io. Dia hoy ravehivavy: «Omenao inona aho, raha mandeha amiko ianao?»
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»
Ary toy izao no nahaterahan’i Kristy: i Maria reniny dia efa fofom-badin’i Josefa; fa raha mbola tsy niray trano izy ireo, dia hita fa nanana anaka avy tamin’ny Fanahy Masina izy.
«Raha misy lehilahy nampakatra vehivavy ho vadiny, sy efa nandeha taminy, nefa tonga tsy tia azy indray,
Nony afaka kelikely, tamin’ny fotoam-pijinjam-bary dia nandeha hamangy ny vadiny i Samsôna, nitondra zanak’osy anankiray ka nanao hoe: «Te-hiditra ao amin’ny vadiko ao an’efitranony aho.» Fa tsy navelan-drainy hiditra izy.