Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»
Genesisy 27:33 - Baiboly Katolika Tera-kovitra mafy indrindra i Isaaka, ka nanao hoe: «Iza àry ilay efa naka haza, ka nitondra teto amiko? Fa efa nihinanako avokoa izany, talohan’ny nahatongavanao; ary efa nitso-drano azy aho, ka ho voatso-drano tokoa izy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toran-kovitra be Isaka ka niteny hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra izany teto amiko teo? Nihinana tamin’izany rehetra izany aho fony tsy mbola tonga ianao ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy! DIEM PROTESTANTA Dia nangovitra fatratra i Itsehàka, ka nanontany hoe: –Fa iza àry ilay nihaza, dia nitondra ny hazany teto amiko ka nihinanako talohan’ny nahatongavanao? Izy no efa notsofiko rano; eny, hotahîna tokoa izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nangovitra fatratra i Itsehàka, ka nanontany hoe: –Fa iza àry ilay nihaza, dia nitondra ny hazany teto amiko ka nihinanako talohan’ny nahatongavanao? Izy no efa notsofiko rano; eny, hotahîna tokoa izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga hianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy. Malagasy Bible Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy. La Bible en Malgache Toran-kovitra be Isaka ka niteny hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra izany teto amiko teo? Nihinana tamin’izany rehetra izany aho fony tsy mbola tonga ianao ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy! |
Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»
Dia nantsoin’i Isaaka i Jakôba, ka notsofiny rano sy nomeny teny hoe: «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana.
Mihorohoro loatra ny foko amin’ny fahitana izany, miantsambotra mila hiala amin’ny fitoerany izy.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy, amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,