hampianiana anao amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany, fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanaka vavin’ny Kananeanina, izay iraisako monina, ianao,
Genesisy 26:34 - Baiboly Katolika Rehefa efapolo taona i Esao dia nanambady an’i Jodita, zanak’i Beeri Heteanina, sy Basemata, zanak’i Elôna Heteanina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Efapolo taona i Esao raha nampakatra an’i Jodita, zanakavavin’i Bery hetita, sy i Basemata, zanakavavin’i Elona hetita. DIEM PROTESTANTA Feno 40 taona i Hesao raha nampakatra vehivavy hetita anankiroa ho vadiny, dia i Jehodita zanakavavin’i Bery sy i Basemàta zanakavavin’i Elôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Feno 40 taona i Hesao raha nampakatra vehivavy hetita anankiroa ho vadiny, dia i Jehodita zanakavavin’i Bery sy i Basemàta zanakavavin’i Elôna. Baiboly Protestanta Malagasy ARY rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an’i Jodita, zanakavavin’i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin’i Elona Hetita, izy. Malagasy Bible Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, izy. La Bible en Malgache Efapolo taona i Esao raha nampakatra an’i Jodita, zanakavavin’i Bery hetita, sy i Basemata, zanakavavin’i Elona hetita. |
hampianiana anao amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany, fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanaka vavin’ny Kananeanina, izay iraisako monina, ianao,
Ary hoy i Rebekà tamin’i Isaaka: «Boboky ny miaina aho noho ny amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, raha maka vady tahaka ireny i Jakôba, amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, amin’ny zazavavy amin’ity tany ity, dia hampaninona ahy intsony izay aina?»
ka lasa izy nankany amin’i Ismaely, naka an’i Maheleta, zanaka vavin’i Ismaely, zanak’i Abrahama, sy anabavin’i Nabaiôta, ho vadiny, fanampin’ireo efa nananany.
Izao kosa no zanaka lahin-dRahoely: I Nahata, i Zara, i Samà, ary i Mezà. Ireo no zanaka lahin’i Basemata, vadin’i Esao.
I Adà, zanaka vavin’i Elôna, Heteanina, i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, zanaka lahin’i Sebeôna Heveanina;
ary ny naterak’i Oolibama dia i Jehosy sy i Ihelôna ary i Kôre. Ireo no zanaka lahin’i Esao naterany tany amin’ny tany Kanaana.
fandrao koa maka ny zanany vavy ho an’ny zanakao lahy ianao, ka nony mitolo-tena amin’ny andriamaniny ireny zanany vavy ireny, dia ho voatariny mbamin’ny zanakao lahy hitolo-tena amin’ny andriamaniny koa.»
Mba hanalavirana ny fijangajanga anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny, ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny.
Aoka tsy hisy mpijangajanga aminareo, na mpanazimba ny zavatra masina tahaka an’i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraimbava.
Koa niteny tamin’i Akimeleka Heteanina sy tamin’i Abisaï zanak’i Sarvià sy rahalahin’i Jôaba, i Davida ka nanao hoe: «Iza no manaiky hiara-midina amiko, ho any an-toby, ho any amin’i Saola?» Dia hoy i Abisaï namaly azy: «Izaho no hiara-midina aminao.»