Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 26:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Feno 40 taona i Hesao raha nampakatra vehivavy hetita anankiroa ho vadiny, dia i Jehodita zanakavavin’i Bery sy i Basemàta zanakavavin’i Elôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Efapolo taona i Esao raha nampakatra an’i Jodita, zanakavavin’i Bery hetita, sy i Basemata, zanakavavin’i Elona hetita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Feno 40 taona i Hesao raha nampakatra vehivavy hetita anankiroa ho vadiny, dia i Jehodita zanakavavin’i Bery sy i Basemàta zanakavavin’i Elôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Rehefa efapolo taona i Esao dia nanambady an’i Jodita, zanak’i Beeri Heteanina, sy Basemata, zanak’i Elôna Heteanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 ARY rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an’i Jodita, zanakavavin’i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin’i Elona Hetita, izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Efapolo taona i Esao raha nampakatra an’i Jodita, zanakavavin’i Bery hetita, sy i Basemata, zanakavavin’i Elona hetita.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 26:34
11 Rohy Ifampitohizana  

ka mianiàna amin’ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ianao fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kanahanita izay miara-monina amiko.


Ary hoy i Rebèka tamin’i Itsehàka: –Efa mankaleo ahy mihitsy ny fiainako noho ny afitsok’ireto vinantovavy hetita ireto. Raha hanambady zazavavy tompon-tany toy ireo i Jakôba, dia aleoko maty!


Hitan’i Hesao kosa tamin’izay fa tsy nahafaly an’i Itsehàka rainy ireo zazavavy kanahanita.


Noho izany, dia lasa izy nankany amin’i Jismahela, zanakalahin’i Abrahama, ka naka vady an’i Mahalato zanany vavy sady anabavin’i Nebaiôta, ho fanampin’izay efa nananany.


Ny zanakalahin’i Rehoela dia i Nahata sy i Zera ary i Samà sy i Mizà. Ireo no zafikelin’i Hesao sy i Basemata vadiny.


Naka vady kanahanita i Hesao, dia i Hadà zanakavavin’i Elôna izay hetita, sy i Ohôlibamà zanakavavin’i Hanà sady zafikelin’i Tsibehôna izay hivita,


ary i Ohôlibamà kosa niteraka an’i Jehîsa sy i Jahilama ary i Kôrà. Ireo no zanakalahy naterak’i Hesao tao amin’ny tany Kanahàna.


Ary haka vady amin’ny zanany vavy ireo zanakalahinareo, ka ireo vehivavy ireo dia hitarika ny zanakalahinareo hanaraka ny fanompoam-pivavahana fanaony amin’ireo andriamaniny.


Kanefa, noho ny fijangajangana mananontanona, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy.


Aoka mba tsy hisy mpijangajanga na olona mpanazimba ny zava-masina tahaka an’i Hesao izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.


Dia niteny i Davida ka nangataka tamin’i Ahimelèka izay Hetita sy tamin’i Abisay zanak’i Tseroià sy rahalahin’i Jôaba hoe: –Iza aminareo roa lahy no hiaraka amiko ho any amin’ny tobin’i Saoly? Dia namaly i Abisay hoe: –Izaho no hiaraka aminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra