Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Genesisy 26:23 - Baiboly Katolika Avy eo izy dia niakatra ho any Bersabea. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niakatra niala teo Isaka ka nankany Bery-Sheba. DIEM PROTESTANTA Dia niala teo izy ka nankany Beera-Seba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala teo izy ka nankany Beera-Seba. Baiboly Protestanta Malagasy DIA niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba. Malagasy Bible Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba. La Bible en Malgache Dia niakatra niala teo Isaka ka nankany Bery-Sheba. |
Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.
Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana.
Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama, ka niainga izy ireo dia niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.
Dia niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin’ny Andriamanitr’i Isaaka rainy.
Aza mitady an’i Betela, aza mankany Galgalà, aza miampita ho any Bersabea! Fa i Galgalà ho lasan-ko babo; ary i Betela hanjary tsinontsinona.
Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.