Ka izao no naterak’io taminy: i Zamràna, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaka ary i Soe.
Genesisy 25:3 - Baiboly Katolika I Jeksàna niteraka an’i Sabà sy i Dadàna; ny zanaka lahin’i Dadàna dia ny Asorima, ny Latosima, ny Laomima; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Joksana dia niteraka an’i Sheba sy i Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy i Letosima ary i Leomima. DIEM PROTESTANTA I Jôksàna no rain’i Sebà sy i Dedàna; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak’i Dedàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jôksàna no rain’i Sebà sy i Dedàna; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak’i Dedàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Joksana niteraka an’i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. Malagasy Bible Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. La Bible en Malgache Ary i Joksana dia niteraka an’i Sheba sy i Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy i Letosima ary i Leomima. |
Ka izao no naterak’io taminy: i Zamràna, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaka ary i Soe.
Ny zanakalahin’i Madiàna dia i Efà, i Ofera, i Henoka, i Abidà, ary i Eldao. Ireo no zanaka lahin’i Setorà rehetra.
dia natsangany ho mpanjaka amin’i Galaada, amin’ny Asorita, amin’i Zesraela, amin’i Efraima, amin’i Benjamina ary amin’i Israely rehetra.
Nandre ny lazan’anaran’i Salômôna amin’ny Anaran’i Iaveh, ny mpanjaka vavin’i Sabà, ka tamy hizaha toetra azy amin’ny ankamantatra.
Nanandrandra azy ny andia-mpivahiny avy any Temà; nanantena azy ny mpandeha avy any Sabà.
Handoa hetra ny mpanjakan’i Tarsisa sy ny nosy; hanolotra fanatitra ny mpanjakan’i Sabà sy Merôe;
Faminaniana any Arabia. Any an-tanilemaka foana any Arabia ianareo no handry, ry andian’i Dedana.
Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efah ianao; ny any Sabà rehetra ho avy, hitondra volamena sy emboka manitra, ary hitory ny fiderana an’i Iaveh.
Mandosira, miverena ilalana, mifitsaha ianareo, ry mponina any Dedana, fa hahatonga fandravana amin’i Esao Aho, amin’ny andro hamangiako azy.
noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Haninji-tanana amin’i Edôma Aho; ka haringako ny olona sy ny biby eo aminy; hataoko zary efitra, hatrany Temàna izy; ary ho lavon-tsabatra hatrany Dedana.
Ny terak’i Dedana nifampivarotra taminao; ny varotra tamin’ireo nosy maro, teo am-pelatananao: ny naloany ho vidiny dia tandroka ivoara sy hazo mainty.
I Dedana nifampivarotra taminao ny amin’ny lamban-tsoavaly fanao hitaingenan-tsoavaly.
Oaka avy any Basàna no nanaovany fivoy ho anao; ny bànao nataony tamin’ny ivoara voapetaka amin’ny boisy, avy amin’ny nosy Sitima.