Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 25:3 - DIEM PROTESTANTA

3 I Jôksàna no rain’i Sebà sy i Dedàna; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak’i Dedàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary i Joksana dia niteraka an’i Sheba sy i Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy i Letosima ary i Leomima.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 I Jôksàna no rain’i Sebà sy i Dedàna; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak’i Dedàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 I Jeksàna niteraka an’i Sabà sy i Dadàna; ny zanaka lahin’i Dadàna dia ny Asorima, ny Latosima, ny Laomima;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary Joksana niteraka an’i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary i Joksana dia niteraka an’i Sheba sy i Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy i Letosima ary i Leomima.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:3
14 Rohy Ifampitohizana  

Niteraka enin-dahy tamin’i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimràna sy i Jôksàna, i Medàna sy i Midiàna ary i Jisbàka sy i Soa.


Ny zanakalahin’i Midiàna dia i Hefà sy i Hefera, i Hanôka sy i Abidà ary i Eldahà. Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketorà.


ka nataony mpanjaka tamin’ny faritr’i Gilehada sy ny Asorita mbamin’i Jizrehela sy i Efraîma sy i Benjamîna ary i Israely manontolo.


Ny mpanjakavavin’i Sebà dia nahare ny laza nananan’i Salômôna noho ny anaran’ny TOMPO, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra.


Na andia-mpifindralasy avy any Temà na andia-mpandranto avy any Sebà dia samy mitazana ny riaka ary samy manantena azy.


Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.


Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!


Rameva maro no handrakotra ny taninao, dia andian-drameva avy any Midiana sy Hefà; tonga koa ny olona rehetra avy any Sabà. Volamena sy vovo-javamanitra no hoentiny ary ny fiderana ny TOMPO no hafatra soa hambarany.


–ny mponina any Dedàna sy Temà ary Bozỳ mbamin’ireo olona rehetra mpiharatra fihirifana;


Miverena ilalana, mandosira, ry olon’i Dedàna, misitriha any anaty lava-bato any, satria ny loza, ry taranak’i Hesao, no ataoko mihatra aminareo; izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.


Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an’i Edôma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin’io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tanànan’i Temàna ka hatrany Dedàna, ka ho faty an’ady ny mponina ao aminy.


Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedàna. Nitatra tamin’ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazomainty no natakalony ny entanao.


Ny olona avy any Dedàna kosa nifandray ara-barotra taminao ka nitondra lamba fandrakofan-tsoavaly.


Hazo ôaka avy any Basàna no nanaovany ny fivoin-tsambonao. Hazo sedera avy any amin’ny nosy Kitima izay nasiana sisika ivoary no nanamboarany ny tokotanin-tsambonao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra