Genesisy 25:25 - Baiboly Katolika Ilay nivoaka voalohany dia menapiny, toy ny lamba voloina ny tenany manontolo, ary natao hoe Esao no anarany; ny rahalahiny nanarakaraka kosa, sady nihazona ny ombalahin-tongotr’i Esao, ary nataony hoe Jakôba no anarany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia teraka ny voalohany ka mena; tahaka ny akanjo volom-biby ny tenany manontolo ka nataony hoe Esao ny anarany. DIEM PROTESTANTA Ilay teraka voalohany dia menamena, voloina toy ny lamba volom-biby ka natao hoe Hesao ny anarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ilay teraka voalohany dia menamena, voloina toy ny lamba volom-biby ka natao hoe Hesao ny anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany. Malagasy Bible Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany. La Bible en Malgache Dia teraka ny voalohany ka mena; tahaka ny akanjo volom-biby ny tenany manontolo ka nataony hoe Esao ny anarany. |
Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony. Dia niantso an’i Esao zanany lahy matoa izy, ka nanao taminy hoe: «Anaka.» - Ary hoy io taminy: «Inty aho.»
Ary hoy i Jakôba tamin-dRebekà reniny: «I Esao rahalahiko, lehilahy voloina, fa izaho malambo hoditra.
Dia nofonosiny tamin’ny hodi-janak’osy koa ny tanany mbamin’ny malambolambo amin’ny vozony.
Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an’i Esao rahalahiny, ny tanany, ka dia nitso-drano azy.
«Efa tia anao Aho, hoy i Iaveh; ary hoy ianareo: ‹Inona no nitiavanao anay? - Tsy rahalahin’i Jakôba va i Esao?› - teny marin’i Iaveh; - nefa i Jakôba no tiako; fa i Esao hàlako;
Avy ao Kadesy no nandefasan’i Môizy iraka tamin’ny mpanjakan’i Edôma, hilaza aminy hoe: «Izao no lazain’i Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.
azo raisina hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh ny zaza nateraka avy amin’izy ireo, hatreo amin’ny taranaka fahatelo.»