Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 20:14 - Baiboly Katolika

14 Avy ao Kadesy no nandefasan’i Môizy iraka tamin’ny mpanjakan’i Edôma, hilaza aminy hoe: «Izao no lazain’i Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary nandefa iraka avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma i Mosesy hilaza hoe: Izao no lazain’Israely rahalahinao: Ianao dia mahafantatra ny fahasahiranana rehetra izay nanjo anay,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ARY Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ny Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin'ny mpanjakan'i Edoma hanao hoe: Izao no lazain'i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary nandefa iraka avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma i Mosesy hilaza hoe: Izao no lazain’Israely rahalahinao: Ianao dia mahafantatra ny fahasahiranana rehetra izay nanjo anay,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 20:14
20 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»


Ilay nivoaka voalohany dia menapiny, toy ny lamba voloina ny tenany manontolo, ary natao hoe Esao no anarany; ny rahalahiny nanarakaraka kosa, sady nihazona ny ombalahin-tongotr’i Esao, ary nataony hoe Jakôba no anarany.


Efa enimpolo taona i Isaaka tamin’ny nahaterahan’izy ireo.


Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.


Notantarain’i Môizy tamin’ny rafozany avokoa ny nataon’i Iaveh tamin’i Faraôna sy ny Ejiptianina, noho ny amin’i Israely; ny fahoriana rehetra nanjò azy teny an-dalana, ary ny namonjen’i Iaveh azy.


Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Edôma, - sy noho ny efatra - tsy hahemotro ny didy. Satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ny sabatra izy, fa namono ny fangoraham-po ary satria mamiravira lalandava ny hatezerany sy mitahiry ny lolom-pony hatramin’ny farany,


«Efa tia anao Aho, hoy i Iaveh; ary hoy ianareo: ‹Inona no nitiavanao anay? - Tsy rahalahin’i Jakôba va i Esao?› - teny marin’i Iaveh; - nefa i Jakôba no tiako; fa i Esao hàlako;


Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.


Nidina tany Ejipta ny razanay, ary nitoetra tany ela izahay, fa samy nampahorian’ny Ejiptianina, na izahay na ny razanay.


Niala tao Kadesy ny zanak’i Israely, ny fiangonana manontolo, dia tonga tao an-tendrombohitra Hora.


Aza mankahala ny Edômita, fa rahalahinao izy; aza mankahala ny Ejiptianina, fa efa vahiny tany amin’ny taniny ianao:


Renay ny nanamainan’i Iaveh ny Ranomasina Mena teo anoloanareo, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy, tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna sy i Oga, izay nataonareo anatema.


«Fantatro fa efa nomen’i Iaveh anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin’ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo.


ary ny nanaovany ny mpanjakan’ny Amôreana roa lahy tany an-dafin’i Jordany, dia i Sehôna mpanjakan’i Hesebona sy i Oga mpanjakan’i Basàna, izay nonina tany Astarôta.»


Dia hoy izy ireo: «Tonga avy any an-tany lavitra indrindra ny mpanomponao noho ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrareo, fa nandre ny lazany izahay sy izay rehetra nataony tany Ejipta,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra