Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:56 - Baiboly Katolika

Ary hoy ralehilahy taminy: «Aza dia mahela ahy ianareo, fa efa mba nambinin’i Iaveh ny diako; ka alefaso aho handeha hody any amin’ny tompoko.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy anefa Ralehilahy taminy: Aza tananareo aho fa efa nanambina ny diako NY TOMPO; avelao aho mba handeha hankany amin’ny tompoko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa namaly azy ireo indray ilay mpanompo hoe: –Aza tananareo aho, fa ny TOMPO efa nanambina ny diako; alefaso aho hiverina ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa namaly azy ireo indray ilay mpanompo hoe: –Aza tananareo aho, fa ny TOMPO efa nanambina ny diako; alefaso aho hiverina ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin’ny tompoko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin'ny tompoko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy anefa Ralehilahy taminy: Aza tananareo aho fa efa nanambina ny diako NY TOMPO; avelao aho mba handeha hankany amin’ny tompoko.

Jereo ny toko



Genesisy 24:56
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa novaliany hoe: ‹I Iaveh, izay eo anatrehany no handehanako, no haniraka ny Anjeliny hiaraka aminao, sy hanambina ny dianao, ka haka vady ho an-janako, any amin’ny havako sy any an-tranon’ikaky ianao.


Izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireto olona nomba azy, ary dia nandry. Nony maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ity mpanompo nanao hoe: «Alefaso aho hiverina any amin’ny tompoko.»


Dia hoy ry zareo: «Aoka àry ny zazavavy no hantsointsika hanontaniana izay tiany.»


Nony efa niteraka an’i Josefa i Rasela, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Avelao aho handeha, hody any amiko sy any amin’ny taniko.


Rano mangatsiaka ho an’ny olona mangetaheta, toy izany ny filazan-java-tsoa, avy any an-tany lavitra.


Izaho dia Izaho ihany no niteny sady niantso azy; nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany.


Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin’ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman’alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin’izany dia hiadana amin’ny lalanao rehetra sy hahomby tsara ianao.