Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:56 - DIEM PROTESTANTA

56 Fa namaly azy ireo indray ilay mpanompo hoe: –Aza tananareo aho, fa ny TOMPO efa nanambina ny diako; alefaso aho hiverina ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

56 Hoy anefa Ralehilahy taminy: Aza tananareo aho fa efa nanambina ny diako NY TOMPO; avelao aho mba handeha hankany amin’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

56 Fa namaly azy ireo indray ilay mpanompo hoe: –Aza tananareo aho, fa ny TOMPO efa nanambina ny diako; alefaso aho hiverina ho any amin’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

56 Ary hoy ralehilahy taminy: «Aza dia mahela ahy ianareo, fa efa mba nambinin’i Iaveh ny diako; ka alefaso aho handeha hody any amin’ny tompoko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

56 Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin’ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

56 Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin'ny tompoko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:56
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia novaliany hoe: «Eo anatrehan’ny TOMPO hatrany no izorako, ka Izy haniraka ny anjeliny hiaraka aminao sy hampahomby ny dianao; ny zanako dia hitondranao vady avy amin’ny foko nipoirako sy ny fianakavian-draiko.


Izay vao nihinana sy nisotro ilay mpanompon’i Abrahama sy ireo olona niaraka taminy; avy teo dia lasa natory. Ny ampitso maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ilay mpanompon’i Abrahama hoe: –Alefaso àry aho hiverina any amin’ny tompoko.


Hoy kosa ireo hoe: –Aoka àry hantsoinay razazavavy, aoka hanontaniana izay heviny!


Rehefa avy niteraka an’i Jôsefa i Rahely, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: –Alefaso hiverina any an-tanindrazako aho.


Toy ny rano mangatsiaka ho an’ny tenda main-ketaheta ny vaovao mahafaly avy any an-tany lavitra.


Izaho, eny, Izaho no niteny; Izaho mihitsy no niantso azy ka nanao izay hahatongavany sy hampahomby izay hataony.


Aoka ianao hahavatra mamaky ity bokin’ny lalàna ity ary handinika azy andro aman’alina mba himasoanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra anatiny. Amin’izay dia ho tontosanao tsara ny fikasanao rehetra ary hahomby ianao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra