Dia hoy ny navaliny: «Zanakavavin’i Batoela zanak’i Melkà, izay naterany tamin’i Nakôra aho.»
Genesisy 24:25 - Baiboly Katolika Ary hoy koa izy: «Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay; sady ny mololo handriana koa dia misy ao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano hatorianareo koa. DIEM PROTESTANTA Ary mbola nampiany hoe: –Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay sady misy toerana handrianareo koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary mbola nampiany hoe: –Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay sady misy toerana handrianareo koa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa. Malagasy Bible Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa. La Bible en Malgache Hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano hatorianareo koa. |
Dia hoy ny navaliny: «Zanakavavin’i Batoela zanak’i Melkà, izay naterany tamin’i Nakôra aho.»
Tamin’izay niondrika ralehilahy, dia niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ka nanao hoe: «Hisaorana anie i Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, fa tsy niova famindram-po sy fahamarinana amin’ny tompoko;
Dia niditra tao an-trano ralehilahy. Ary i Labàna kosa nanesotra ny laselin’ny rameva, dia nanome mololo sy vilona ho an’ny rameva, sy rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona nomba azy.
Nony mby teo amin’ny toerana handriany, nanokatra ny lasàkany ny anankiray tamin’izy ireo, hanomezany vilona ny ampondrany, ary hitany teo am-bava lasàkany ny volany.
Fa ny andriana manan-kevitra mendrika andriana, sy hitsangan-kanao asa mendrika andriana.