Genesisy 21:32 - Baiboly Katolika Nanao fanekem-pihavanana tao Bersabea izy ireo. Rehefa vita izany dia niainga i Abimeleka sy i Fikôla, filohan’ny tafiny, ka niverina ho any amin’ny tanin’ny Filistinina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanao fanekena tany Bery-Sheba izy roa lahy. Ary niainga i Abimeleka sy i Pikola, komandin’ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ny tanin’ny Filistina. DIEM PROTESTANTA Nanao fifanekena tao Beera-Seba i Abrahama sy i Abimelèka; avy eo dia niainga i Abimelèka sy i Pikôla, lehiben’ny tafiny, ka lasa niverina nankany amin’ny tanin’ny Filistinina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanao fifanekena tao Beera-Seba i Abrahama sy i Abimelèka; avy eo dia niainga i Abimelèka sy i Pikôla, lehiben’ny tafiny, ka lasa niverina nankany amin’ny tanin’ny Filistinina. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin’ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ny tanin’ny Filistina. Malagasy Bible Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, komandin'ny miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina. La Bible en Malgache Dia nanao fanekena tany Bery-Sheba izy roa lahy. Ary niainga i Abimeleka sy i Pikola, komandin’ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ny tanin’ny Filistina. |
Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.
Dia naka ondry aman’omby i Abrahama, natolony an’i Abimeleka ka nifanao fanekem-pihavanana izy roa lahy.
Izany no nanaovana io toerana io hoe Bersabea, satria teo izy roa lahy no samy nianiana.
Namboly tamarisa tao Bersabea i Abrahama, ary niantso ny anaran’i Iaveh Andriamanitra mandrakizay teo izy.
Nananany andiany maro ny biby fiompy na lehibe na kely; ary nananany betsaka koa ny mpanompo; ka velom-pialonana azy ny Filistinina.
Nony ela no nitoerany tao Jerara, sendra nitazana teo am-baravarankely kosa i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina. Ka indro i Isaaka hitany nisangy tamin-dRebekà vadiny.
Koa ankehitriny, avia hanao fanekem-pihavanana isika, dia izaho sy ianao, mba hisy vavolombelona amiko sy aminao.»
Ary aoka ny Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Nakôra ary Andriamanitry ny razan’ireo no hitsara antsika.»
Nony nalefan’i Faraôna nandeha ny vahoaka, dia tsy nentin’Andriamanitra hihazo ny lalana amin’ny tanin’ny Filistinina, na iny aza no akaiky, satria hoy Andriamanitra: «Sao dia manenina ny vahoaka raha mahita ny ady, ka hiverina any Ejipta.»
Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely ka natolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina, nandritra ny efapolo taona.